Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

admin · Mey, 2012

imailaka admin

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Mey, 2012

24 Mey 2012

Nepal: Shristi Shrestha No Misalotra Ny Oliravina Nepal 2012

Nanako eny amin’ny fifanakalozam-baovao rehetra ara-tsosialy ny resaka Oliravina Nepal tamin'ny nifidianan'ny mpikarakara an’i Shristi Shretha  nandritra ny Famaranana lehibe momba ny hatsaran-tarehy sy bika tamin’ity taona ity. Tao amin’ny Hotelin’i Annapurna, an-drenivohitr'i Nepal, Kathmandu, moa no nikarakaràna ny lanonana. Shristi Shrestha izay hita sahisahy sy matoky tena no voasalotra...

Però: Ny fomba niarovan'ny Achuar ny taniny tamin'ireo orinasa mpitrandraka solitany

Ilay sarimihetsika Chumpi & The Waterfall (Chimpi sy ilay riandrano) no mitantara ny fiainan'i Chumpi kely sy ny fiarahamonina nisy azy, ny Achuar izay mponina mipetraka ao amin'ny alan'ny Amazonina eo amin'ny sisintany mampisaraka an'i Pero sy Ekoatera. Aseho ao amin'ilay sarimihetsika, nadika an-tsoratra amin'ny teny anglisy, ny harena ananan'ny...

23 Mey 2012

Kiobà : Bilaogera voatsiratsira tamin’ny fanambaran’ny Arseveka

Tahaka ny tsy mbola ampy tamin'ny arseveka ny nikosikosehana ireo bilaogera tamin’ny fitsidihana farany nataon'ny Papa farany teo tany Kiobà indrindra ny fangatahany hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny fiangonana ary ny tsy fitadiavany fiaraha-miasa amin’ny fanamorana ny fifampiresahana eo amin'ny papa sy ireo vondrona mpisintaka – nandritra ny fandraisam-pitenenana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Harvard. Milaza ireo mpanao fihetsiketsehana...

20 Mey 2012

Ejipta: Fahadisoam-panantenana tamin'ny adihevitra voalohany nifanaovan'ireo kandidà filoham-pirenena

Tamin'ny 10 may 2012, nifantoka nanoloana ny fahitalavitra ny Ejiptiana nanaraka ny adi-hevitra voalohany nifanaovan'ireo mpilatsaka hofidiana filoham-pirenena anankiroa matanjaka indrindra , Amr Moussa sy Abdel Moneim Aboul Fotouh. Na izany aza anefa, tsy io akory no adihevitra voalohany tany amin'ny tany Arabo, fa efa nisy ohatra tany Maoritania tamin'ny 2007 nifanaovan'i...

10 Mey 2012

Oganda: Atin'akanjo sisa no nanaovan'ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana, noho ny herisetra nataon'ny polisy tamina vehivavy mpitolona iray

Taorian’ny nandraràna ny  A4C (Mpitolona ho amin’ny fanovàna) tany Ogandà tamin’ny fiandohan'ity volana ity, Novan'ny mpikatroka ho “4GC”, izay midika “For God And My Country [Ho an’Andriamanitra sy ny Tanindrazako] ” (Tarigetra ofisialin’i Ogandà) ny anarany. Tafiditra ho mpikambana   4GC,  ny lehiben’ny mpanohitra  Col. Dr. Kizza Besigye, Mathias Mpuuga, Ingrid Turinawe...

04 Mey 2012

Tonizia: Tsy Firaharahiana Ireo Naratra Nandritra Ny Revolisiona

Tezitra mafy ary naneho ny tsy fahafam-pony ireo toniziana  manoloana ny tsy firaharahian’ny governemanta  ireo naratra nandritra ny revolisiona. Talohan’ny nanonganana ny filoha Zine El Abidine Ben Ali, olona an-jatony no naratra nandritra ny fifandonana tamin'ny polisy, saingy tsy noraharahiana taty aoriana. Mbola misy bala mila esorina amin'ny vatany ny an'ny sasany,...