admin · Mey, 2010

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Mey, 2010

Meksika: Fanambarana ny heloka nataon'ny pretra Maciel

  21 Mey 2010

Niteraka resabe ny fanadihadihana natao vao haingana mikasika ny heloka nataon'nyMompera Marcial Maciel, mpanorina ny fikambanana Legion du Christ, izay niharan'ny fanamelohana marobe momba ny fametavetana ankizy tsy ampy taona nanomboka tamin'ny taona 1990 hatramin'ny taona 2008 nahafatesany. Ankoatry ny vonoan'olona, dia fantatra fa teo ambany fiarovan'ny mpitondra fivavahana ambony manakaiky...

Pakistan: Fihetseham-po tamin'ny saika nanapoahana ny Time Square

  21 Mey 2010

Tamin'ny voalohan'ny volana dia niteraka fanairana amin'ny loza tao New York ny fikasana hanapoaka baomba ny Time Square. Voasambotry ny polisy tao amin'ny seranam-piaramanidina i Faisal Shahzad, terantany pakistano-amerikana nahiahiana ho tompon'antoka tamin'io fikasana hanapoaka io. Araka ny tatitra dia hita teo afovoan'ny Time Square ny fiarakodian'i Faisal feno lasantsy,...

Arabia Saodita: feno orana

  17 Mey 2010

Mitady ny fomba rehetra hanajanonana ny ranobe vokatry ny orana nivatravatra tany Riyadh androany ny mponina any Arabia Saodita. Misy bilaogy manokana natsangana hanangom-baovao avy amin'ny twitter sy ny YouTube, miaraka amin'ny vaovao farany ao amin'ny twitter sy sary mihetsika navoaka tao amin'ny sita YouTube. Mitondra ny lohateny hoe ny...

Iran: iza no mangalatra ireo sary vongana varahina?

  15 Mey 2010

Azo tarafina fa tany ahitana zavatra tsy ampoizina i Iran ary azo heverina fa tsy ho tapitra vetivety ireny. Nolazain'ny filazam-baovao iraniana sy avy any ivelany fa antony ara-pivavahana no ao ambadiky ny fahaverezan'ireo sary vongan'ny mahery fo iraniana 11 vita amin'ny varahina ireo. Anisan'ireo sary vongana very ny an'i...

Fanambarana ireo mpandresy tamin'ny “Breaking Borders”

15 Mey 2010

Mba ho fankasitrahana ireo nampandroso ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny internet, ny Google sy Global Voices dia namoaka ny anaran'ireo voalohany tamin'ny fifaninana Breaking Borders (Azerao ny sisintany). Ny fankasitrahana, notohanan'i Thomson Reuters, dia omena ho fankasitrahana ireo web nahafinaritra indrindra nataon'ny olontsotra na fikambanana niasa tamin-joto, nahery ary nahay niara-niasa hanadratana...