admin · Jona, 2018

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Jona, 2018

Kosta Rikà: Nandao ny antoko politikany i Andrea Morales

Niteraka adihevitra i Andrea Morales, solombavambahoaka avy amin'ny Antokon'ny Hetsiky ny Olom-pirenena (PAC) raha niala tamin'ny antoko politikany izy, izay nisy azy nandritra ny taona maro lasa. Maro no mihevitra fa efa nampoizina ny fialàny, ary ny hafa kosa nahatsapa fa voatery nandray izany fanapahan-kevitra izany izy.

23 Jona 2018

Ozbekistana: Kajikajy tamin'ny fifidianana parlemantera

Araka ny efa nampoizin'ireo manam-pahaizana samihafa, nankasitrahana ny fifidianana solombavambahoaka tany Ozbekistana. Namoaka izany vaovao izany ny filohan'ny Vaomiera Misahana ny Fifidianana, Mirza-Ulugbek Abdusalomov ny harivan'io andro io ihany (27 desambra),

21 Jona 2018

Fanentanana CCTV mamely ny Google.cn

namoaka tatitra iray tao amin'ny pejiny voalohany izay miampanga ny Google.cn amin'ny fampielezana votoaty vetaveta ny Foibe Fitaterana momba izay Vaovao Tsy manara-dalàna amin'ny Aterineto ao Shina  (CIIRC).

21 Jona 2018

Ekoadaoro: Manampy an'i Haiti ny fanjakana

Iray volana mahery izay no lasa, mbola mitohy mameno ny pejy voalohany amin'ny gazety iraisam-pirenena ny loza nateraky ny horohorontany tao Haiti. Nifantoka tamin'ny ezaky ny fanjakana Ekoadaoreana sy ny filoha Rafael Correa ary ny andraikitr'izy ireo tamin'ny fitondrana fanampiana sy fanohanana an'i Haiti kosa ny gazety eo an-toerana.

19 Jona 2018

Kyrgyzstan: Adihevitra noho ny famarotana ny orinasam-pirenena momba ny fifandraisan-davitra

Nanao ny fanadihadiany manokana momba ny fifanarahana, izay namarotana ny petra-bolan'ny orinasam-pirenena Kyrgyzztelecom ireo mpisera malaza ao amin'ny forum aterineto Kyrgyz "Diesel". Araka ny voalazan'izy ireo, mifamatotra amin'i Maksim, zanaka lahin'ny Filoha Kyrgyz, Kurmanbek Bakiyev' izay voatendry vao haingana tamin'ny toerana ambony ara-toekarena ao amin'ny governemanta ireo tompon'ny orinasa vaovao.

18 Jona 2018