Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Febroary, 2019
Azerbaijan: Navotsotra ireo ‘bilaogera ampondra’

Navotsotra tamin'ny faran'ity herinandro ity ireo tanora mpikatroka bilaogy lahatsary ao Azerbaijan, repoblika sovietika teo aloha manankarenaika solika. Nogadraina tamin'ny 8 Jolay 2009 i Adnan Hajizade, mpiara-manorina ny OL! Youth Movement, sy Emin Milli, mpiara-nanorina ny Alumni Network (AN).
Ejypta: Tatitra eo an-toerana nandrakitra fandikan-dalàna nihatra tamin'ireo mpiserasera aterineto maherin'ny 43

Namoaka tatitra mitondra ny lohateny hoe "Ejypta eo amin'ny kion-dalana ...2008" ny ONG Ejypsiana iray malaza, Foiben'ny Lalàna Hisham Mubarak, tatitra izay manadihady ny satan'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena nandritra ny taona 2008, anisan'izany ny fanagadrana sy ny fanorisorenana bilaogera. .
Efa misy amin'ny teny Espaniola ny “Blog for a Cause”

Blog for a Cause!, Tari-dalan'ny Global Voices an'ny Blog Advocacy, dia efa misy amin'ny Espaniola noho ny dikan-teny nataon'i María Florencia Puente avy ao amin'ny Global voices Españiola.
Iran: Dimy tapitrisa dolara ho an'ny tetikasa sivana vaovao

Araka ny voalazan'ireo tranokalam-baovao maromaro, anisan'izany ny Roozonline, nilaza i Mahmoud Salarkia, izay tompon'andraikitra ambony ao amin'ny fitsaràna Iraniana fa dimy tapitrisa dolara no ampiasaina hamolavolàna fitaovana vaovao ho an'ny sivana
Tari-dalana DigiActive ho an'ny fikatrohana amin'ny Twitter

Vao avy namoaka ny The DigiActive Guide to Twitter for Activism ny DigiActive, fikambanana natokana hanampiana ireo mpikatroka eny ifotony manerantany mba hampiasa teknolojia nomerika.
Syria: Nosakanan'ny Linkedin ireo mpiserasera Syriana!

Nitatitra (rohy amin'ny teny Arabo) ny bilaogy AnasOnline fa nosakanan'ny Linkedin (AC Group eto) tanteraka ireo mpiserasera Syriana rehetra.
Voasivana ny tranonkala Fararu ao Iran

Nanambara [fa] ny tranonkalam-baovao Fararu ao Iran androany fa nosivanin'ny manampahefana Iraniana ny tranonkala. Tsy nahazo vaovao momba ny anton'ny sivana ireo mpitantana ny Fararu.
Iran: Azo idirana indray ny tranonkala Fararu sy Twitter

Nitatitra ireo tranonkalam-baovao Iraniana fa azo idirana indray ny Twitter sy ny tranonkalam-baovao Fararu Iraniana.
Iran: Azo idirana indray ny FaceBook

Mitatitra ny tranokalam-baovao sy ny bilaogy Iraniana fa tsy voasivana intsony ny FaceBook any Iran. Milaza i Senoghteh fa nanery ny governemanta Iraniana hamerina indray ny FaceBook ny hetsika nasionaly sy iraisampirenena.
Iran: Voasivana ny Facebook sy Twitter

Tranonkala sy bilaogy Iraniana maro tahaka ny demokracy no nitatitra fa voasivana ny Facebook sy Twitter any Iran. Nilaza i Ghomar, fa te-handresy ny mpifanandrina aminy amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny filoha Ahmadinejad satria maro kokoa izy ireo ao amin'ny tontolon'ny aterineto, tafiditra amin'izany ny Facebook.