admin · Novambra, 2017

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Novambra, 2017

Mitendry Milina i Torkia….

Fiarahabana ho an'ny taona vaovao! Te-hanitatra ny fiarahabany ho an'ny Taombaovao ihany koa i Yogurtland, Turkish Torque, sy Talk Turkey. Raha mankalaza ny taom-baovao ao Istanbul ianao androany alina, maro ireo bilaogera Tiorka miresaka momba ny fampisehoana nataon'i Woody Allen sy ny Tarikany Jazz New Orleans.

Tongasoa Eto Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Kiorda

Ny resaka momba an'i Kiordistan (na eo amin'ny sehatra ara-politika na foto-kevitra) no tena adihevitra hatrany. Na dia tsy misy antoko politika aza ao Kiordistan, ny lohahevitra amin'ny fametrahana tanindrazana ho an'ny Kiorda (vondrona ara-poko lehibe indrindra manerantany tsy manana firenena azy manokana) no mbola tanjona voalohany ara-politikan'ny ankamaroan'ny Kiorda.

Ny Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Tiorka

Noraisina tsara tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Tiorka ny andiana Bilaogy Tiorka tamin'ny herinandro lasa teo, ary nahitana dikanteny Tiorka tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny tranokala Blog Kardesligi mihitsy aza. Tsy ny dikanteny ihany no tao amin'ny Blog Kardesligi fa fanehoan-kevitra momba ny tetikasan'ny Global Voices (amin'ny teny Tiorka) ihany koa.