Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Mey, 2015
FIFA Karaiba : Tsy Misy Fanampim-Potoana Ho An'ireo Manampahefan'ny FIFA Avy Ao Karaiba Satria Sokafan'ny Departemantam-pitsaràn'i Etazonia Ny Fiampangàna
Misy fisahotahotahana goavana ao amin'ny media sosialin'i Karaiba androany, taorian'ny fanambaràna fa niampanga tomponandraikitra ao amin'ny FIFA miisa 9 ary mpitantana orinasa miisa 5 noho ny fanaovana heloka voakarakara hitadiavana tombotsoan'ny olom-bitsy, firaisana tsikombakomba, ary kolikoly.
Tolotra Vaovao Avy Amin'ny Basij Militia (Milisy) Any Iran, Ahafahan'ny Fanjakana Mahita Ireo Resadresaka Rehetra
Hampiasa ireo lohamilina an'ny Basij ary tantànany ilay tolotra vaovao fandefasana hafatra, izay afaka alaina maimaimpoana ankehitriny, manome mora foana ho an'ny vondron-tafika ivelan'ny fanjakana sy ireo mpitsikilo ny fahafahana miditra sy manara-maso ireo fifampiresahana rehetra ataon'ny mpampiasa azy io.
Hiafina Tsy Ho Fantatr'Olona Na tsia: Ahoana No Tokony Ho Fanapahankevitr'Ireo Mpitoraka Bilaogy ?
Niaraha-nanoratra tamin'i Nani Jansen, izay talen'ny sampana lalàna an'ny Media Legal Defence Initiative (Fandraisana Andrakitra Miaro Ny Media Amin'ny Raharaham-pitsaràna) ity lahatsoratra ity. Tokony tsy ho fantatry ny olona ve...
Ireo Seranam-piaramanidina, Trano, Orinasa, Fanaovana Fanatanjahantena, Lapa Ary Fotodrafitrasa Maro Potiky Ny Ady Ao Yemen
#OpOurYemen satria tsy mila firenena hafa hamerina fanantenàna ho antsika isika. Mahazaka dona isika ary hanao izay zavatra rehetra tokony atao hanarenana an'i #Yemen.
Ny Fitiavan-tanindrazana Ahazoan-tombon'ny Fifankatiavan'i Vladimir Poutine Sy Ireo Mpitondra Môtô
Tsy vaovao mihitsy ny fifankatiavan'i Poutine sy ireo mpitondra môtô, fa tena mipoaka be tsy mbola nisy ohatra izany ny lanjan'ny mpitondra môtô "Night Wolves" ao Rosia sy any ivelany.
Sambon'Ireo Rohingya Mpitsoa-ponenana, Nolavin'i Thailand, Malezia Ary Indonezia
"Action on #Rohingya is a real test of character for #ASEAN. Are we compassionate or heartless nations?"
Taratasy Misokatra Ho An'ny Filoha Obama Avy Tamin'ny Bahraini Mpiaro Ny Zon'olombelona
AlMahafdah, gadra politika teo aloha tany Bahrain, mangataka ny Filoha Obama mba ho "feon'ny vahoakan'i Bahrain" rehefa mifanena amin'ny zanaka lahin'ny mpanjaka izy.
Lasa Fantatry Ny Daholobe Ireo Fitokonana Tsy Mihinan-kanina Nataon'i Al Khawaja, Hiadiana Amin'ny Fampijaliana Ao Amin'ilay Fonja Malaza Ratsin'i Bahrain
Manao fitokonana tsy mihinan-kanina efa 24 andro ilay Bahraini mpiaro ny Zon'olombelona , Abulhadi Al-Khawaja, manohitra ny fitohizan'ireo fanitsakitsahana sy fampijaliana ireo voafonja ao amin'ny fonjan'i Jaw, satria tsy miraharaha ny fiantsoana ny tokony hanaovana fanadihadiana ireo manam-pahefana.
Fifandonana Tao Mahabad, Iràna, Taorian'ny Fahafatesana Nahatonga Resabe Nanjo Mpiasa Vavy Amin'ny Hotely
"Zavatra iray ny hoe Kiorda any Iran ary iray hafa mihitsy ny hoe vehivavy Kiorda. #RarinyHoAn'iFarinaz."
Ny Fomba Nahazoan'ny Ankizilahy Iray Mpianatra, “Zanaky”-ny Filohan'ny Tajikistan, Tsolotra Be Dia Be Tamin'ny Olon-tsotra
"Miloka aho fa zanaka mpiasam-panjakana hafa io, satria isika tsy afaka ny hampianatra ireo zanantsika ao amin'io sekoly io mihitsy."