admin · Janoary, 2010

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Janoary, 2010

Etiopia: miaro ny kaompaniam-pitaterana Etiopiana taorian'ny fianjeran'ny fiaramanidina ny mpitoraka bilaogy

  27 Janoary 2010

Niolomay niaro ny kaompaniam-pitaterana an'habakabaka an'ny fanjakana Etiopiana ny mpitoraka biloagy taorian'ny nianjeran'ny fiaramanidina iray tany akaikin'i Beiruth, fiaramanidina nitondra olona 90 ka maty avokoa izy rehetra. Owen Abroad nilaza fa “tena nalahelo” tamin'ny vaovao navoaka mikasika ny fitaterana an'habakabaka etiopiana Ethiopian Airlines izy, hoy izy: Tena miavaka ny fiarovana...

Congo (RDC): Ny vokatry ny tsy firaharahiana

  22 Janoary 2010

Mahafinaritra ny Congoblog. Mendrika daholo ny lahatsoratra tsirairay, indreto ny tena nanaitra hatramin'ny fiatombohan'ny volana janoary teo: avy any Kisangani, Boyomais mitaraina ny amin'ny zavatra mampalahelo iainana any amin'ny toeram-pitsaboana  ao amin'ny fireneny, tafiditra amin'izany ny teny baiko fantatry ny rehetra hoe: “tsy misy vola, tsy misy fitsaboana”. Nataon'i Luba...

Torkia: Taona fahatelo namonoana an'i Hrant Dink

  22 Janoary 2010

Telo taona androany, dia nisy nitifitra tamin'ny basy teo ivelan'ny birao fanaovan-gazety fiasany tany Istanbul, Torkia, ilay mpanao gazety Tiorka-Armeniana Hrant Dink . Tsy noraharahiana izy, nankahalain'ny Tiorka sy ny Armeniana noho ireo hafatra feno fandeferana sy fampihavanana nataony ho an'ny roa tonta fony fahavelony, Dink dia feon'ny mpampihavana ary olon'ny fohavanana ka izay...

Haiti: Ny olana nateraky ny fanampiana iraisam-pirenena

  22 Janoary 2010

Dimy andro aty aorian'ny horohoron-tany namotika ny renivohitry Haiti, Port-au-Prince sy ireo tanàna hafa toa an'i  Leogane sy Jacmel, dia mbola sarotra ho an'ny mpamonjy voina sy ireo mpitsabo ny mamonjy ireo mponina sisa tsy maty. Na izany aza anefa, tsy avy amin'ny tsy finiavana hanampy eo amin'ny fianakaviam-be iraisam-pirenena...

Bolivia: Oliravina taloha, mirotsaka ho fidiana governoran'i Beni

  16 Janoary 2010

Ho an'ny maro, ny fanambarana nataon'ny filoha Evo Morales nanendry ilay mpanjakavavin'ny hatsarana taloha, Jessica Jordan, 25 taona, hilatsaka hofidiana governora ao amin'ny departemantan'i Beni amin'ny anaran'ny antoko MAS (Antoko sosialista), dia ohatry ny sangisangy tara ny datin'ny 1 aprily (fetin'ny lainga). Na izany aza, vantany vao re ny fanambarana ofisialy natao nandritra ny...

Ejipta: Fanentanana “Mitenena”

  07 Janoary 2010

Raha miomana fatratra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin'ny taona 2011 i Ejipta dia misy andian'olona ao amin'ny tontolon'ny bilaogy manao fanentanana mampirisika ny olona hino fa afaka manova izy ireo ary afaka miteny amin'ny alalan'ny latsa-bato hataony. Izay no antony nahatonga ny fanentanana “Mitenena”, nanomboka azy i  Ghada Abdel...

Bolivia: Ny fiainan'ny mpamily fiara karetsaka any El Alto

  07 Janoary 2010

Ilay mpitoraka bilaogy Wilfredo Jordan avy any El Alto no nifantoka manokana amin'ny fiainan'ny mpamily fiara karetsaka iray miasa eny an-dalana rehetra eny isan'andro. Ho fanampin'ny ora maro iasany amin'ny karama faran'izay kely dia mifanehatra amin'ny toe-javatra mampalahelo matetika ireny mpamily fiara karetsaka ireny rehefa tojo ny mpandeha manana eritreritra...