Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

admin · Jona, 2008

imailaka admin

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Jona, 2008

Sina : Topi-maso amin'ny sary sikotra eny amin'ny zaridaina Olympika

Asehon'i Safin an-tsary ao amin'ny FunEnclave ireo sary sikotra eny an-jaritaina ao Sina, tafiditra ao amin'ny fanomanana ny lalao Olympika atao any Beijing. Hoy ny mpamaky iray, patch01 : Mety mahafinaritra ho an'ireo mpizaha-tany koa, heveriko fa tsy hitolagaga ireo fianankaviana 30000 izay nifindra noho ny fikarakarana ny lalao ………

Kenya : Fanampim-baovao avy ami'ny fanampiana olona amin'ny aterineto

Fanampim-baovao avy amin'ny mpiasa an-tsitra-po ao amin'ny AVIF any Kenya : Vaovao tapatapany avy aty amin'ny Mercy Home hampahafantarana anareo mikasika ny fitsidihana ataonay, ary mba hanehoana fa nanampy sy nanatsara ny fiainan'ireo vehivavy ato amin'ny Mercy Home ny vola fanampiana natolotrareo.

Irak : Mainty – Lokon'ny hirifiry

Efa zatra mitondra fitafiana mainty ny vehivavy Irakianina amin'izao – lokon'ny alahelo sy fisaonana hoy ny voalazan'ny Inside Iraq. Misy ihany nefa eny anivon'ny haizina eny vehivavy milaza fa manao fitafiana volon-tany, maitso na mavokely mihitsy aza ! Araka ny voalazan'i Correpsondent Jenan dia : Black is the favorite color...

Cedric Kalonji : Kongo (RDK) an-tsary

I Cedric Kalonji dia mpilaza vaovao ao amin'ny Radio Okapi, ary mpanoratra ny blaogy mety malaza indrindra avy ao Kongo. Fa ankoatra ny asany ao amin'ny radio sy ny fitorahana blaogy dia mpaka sary matihanina koa i Kalonji. Nandritra ny andro maromaro izay dia mitety ny sary apetrany ao amin'ny...

Oganda : Famoretana ny fanaovan-gazety

Hoy i Moses Paul, miresaka ny famoretana ny mpanao gazety ao Oganda : “Nametraka rafitra vaovao ny governemanta ka mampiseho fomba iray indray hamehezan'ny fanjakana ny fampahalalam-baovao. Tsy vao voalohany io amin'ny fomba tsy manaraka ny lalam-panorenana ataon'ireo manam-pahefana ao amin'ny governemantan'ny Filoha Museveni mba hanafoana ireo fampahalalam-baovaovao tsy miankina...

Meksikô : fitarainan'ny mponina amin'ny fampiasana ny taniny any Copala

Any Copala [en], tanana atsimon'i Acapulco ao amin'ny faritanin'i Guerrero any Mexico no nakana ity horonan-tsary ity, miampanga ny nangalan'ny ben'ny tanana [President of Municipal] Gonzalo Gallardo Garcia, mpikambana ao amin'ny antoko Green Ecological [es] ny tanin'i Isabel Pisa sy Fabiola Abarca. Valan-java-boaary natao hiompiana voay moa no nolazaina hoe...

Rosia : Ny fahalalahan'ny mpanao gazety

Nisy ady hevitra mahaliana mikasika ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety any Rosia tao amin'ny New York Time amin'ny teny Rosiana, ao amin'ny Live Journal. Mahery ny 1000 ny hevitra avy amin'ny mpitoraka blaogy Rosiana hita tao amin'ny lahatsoratr'i Clifford J. Levy izay nadika tamin'ny teny Rosiana. Nadika amin'ny teny Anglisy ny 45...