Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Novambra, 2019
[Fitaovana] Fiteny Indizeny: Zero to Digital – Taridalana mitondra ny fiteninao ho antserasera
Namoaka fitaovana vaovao "Fiteny Indizeny: Zero to Digital: Taridalana mitondra ny teninao ho antserasera” ny Translation Commons mba hamaritra ny dingana hahatonga ny fiteny ho hita ao amin'ny solosaina sy ny fitaovana finday.
Tsy demaokrasia raha maniry “filoham-pirenena mandrakizay” ireo mpifidy ao Roandà?
Notsikeran'ny mpanohitra sy ireo mpikatroka ny zon'olombelona ary koa ireo mpiara miombon'antoka ho an'ny fampandrosoana iraisam-pirenena tahaka ny Etazonia sy ny vondrona Eoropeana ny fitsapan-kevi-bahoaka tao Roandà tamin'ny taona 2015.
Niteraka fanoherana ny foaran'ny fitaovam-piadiana Japoney
Nitsena mpanao fihetsiketsehana ao an-toerana farafahakeliny miisa 400 ny varotra fampisehoana iraisampirenena momba ny fitaovam-piadiana ao Japana mampivoitra ny lalan-tery idiran'ny governemanta japoney sy ny indostiriany manoloana ny lova mpandala ny fandriampahalemana taorian'ny ady [lehibe].
Midika ny fandresena miezinezina azon'ny pro-demaokraty tamin'ny fifidianana isan-toerana ao Hong Kong, fa maka sisiny i Beijing
Raha marina ny hoe te-hamerina ny filaminana ny vahoaka, maro no mahatsapa fa ny governemanta no voalohany nahatonga ny korontana.
Iza moa i Abduweli Ayup, mampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny 26 nov – 2 Des 2019
Vakio ity fanontaniana sy valiny nifanaovana tamin'i Abduweli Ayup, mampiantano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny herinandron'ny 26 novambra - 2 Desambra 2019 ity. Hozarainy amintsika ny ezaka ataony hikolokoloana ny fiteny Uyghur.
Antso fanairana sa fanambaniana? Mampizarazara hevitra ny Tiorka ny dokambarotra momba ny salakam-behivavy
Niteraka adihevitra be ny dokambarotra iray nataon'ny marika salakam-behivavy ao Torkia
Mamaly ny lehiben'ny tafika Thailandey ilay mpikatroka Hong Kong Joshua Wong
Manome vaovao farany momba ny fihetsiketsehana any Hong Kong sy mamaly ireo fiampangana nataon'ny jeneraly Apirat Kongsompong, lehiben'ny tafika Thailandey i Joshua Wong.
Tanora te-hanampy ireo iharan'ny herisetra an-tokantrano ao Albania amin'ny alàlan'ny fampiharana vao noforoniny
Fampiharana iray mampifandray ireo efa sisampatin'ny herisetra an-tokantrano aminà toeram-pialofana, ny polisy ary ireo vondrona mpanohana.
Toherin'ireo mpikatroka aterineto ao Hong Kong ho toy ny fandrahonana ny fahalalahana antserasera ny fandràran'ny fitsarana ny votoaty ‘mahery sehatra’
Manohitra ny fehezan-dalàna vonjimaika navoakan'ny Fitsarana Avo ireo mpikatroka ho an'ny fahalalahana antserasera any Hong Kong, fehezan-dalàna izay mandràra ny olona handefa sy mamerina mandefa izay vaovao mampiroborobo herisetra, tafiditra amin'izany izay alefa ao amin'ny LIHKG sy Telegram.