Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Jolay, 2018
Fantaro ireo bilaogera vaovao ao Liberia
Tamin'ny volana Oktobra lasa teo, mpanao gazety Liberiana sivy no nianatra ny fomba fibilaogina nandritra ny atrikasa tao amin'ny Ambasady Amerikana ao Monrovia. Noho ny fanohanan'ny Foibe ho an'ny Demokrasia sy ny Fampandrosoana ao amin'ny UMass Boston, tafaverina eto Monrovia aho ankehitriny miaraka amin'i Kathleen Flynn sy Ken Harper.
Mozika sy dihy Porro any La Loma, Kolombia
Catalina Restrepo avy ao amin'ny tetikasa HiperBarrio ao La Loma, tanànakely misy havoana any ambanivohitr'i Medellín, Kolombia, dia namokatra ity horonantsary ity hanehoana ny maha-zava-dehibe na mozika porro ao amin'ny vondrom-piarahamoniny.
Ny tarika Paniagua
Zavatra iray ho tsikaritrao avy hatrany raha mitsidika ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra ao La Loma ao Medellín, Kolombia ianao dia saika manana anarana telo na efatra mitovy avokoa ny vondrom-piarahamonina iray manontolo . Ny iray amin'ireo mahazatra indrindra dia ny hoe "Paniagua" - izay hazavain'ny bilaogera sady mpiangaly mozika manan-talenta Dneiber Sady ao amin'ny horonantsary etsy ambony ny tantara nahatonga izany .
[Fandikan-teny] Fahadisoam-panantenan'ny bilaogera
Nahita ny ankamaroan'ny tetikasa Rising Voices fa ny fampiofanana olona mikasika ny fomba fibilaogina dia dingana tena tsotra. Ahafahana manangana bilaogy vaovao haingana sy tsotra tahaka ny manangana kaonty mailaka vaovao ny tolotra tahaka ny WordPress sy Blogger.
Carmen Paniagua avy ao amin'ny HiperBarrio
Ny volana janoary tamin'ity taona ity, nanadihady olon-tsotra mpanao gazety maromaro avy ao amin'ny tetikasa HiperBarrio ao La Loma, vohitra kely iray any ambanivohitr'i Medellín, Kolombia aho.
Voces Bolivianas niseho tao amin'ny BBC
Miarahaba ny Voces Bolivianas noho ny fankasitrahana mendrika azy indrindra! Azonao atao ny mamaky ny dikan-teny amin'ny teny Anglisy eto avy amin'ireo mpandray anjara ao amin'ny Voces Bolivianas.
Cristina Quisbert ao amin'ny bilaogy
Mizara ny traikefany amin'ny maha mpikambana ao amin'ny Voces Bolivianas i Cristina Quisbert. Niseho tamin'ny resadresaka navoaka tato roa volana lasa ihany koa i Cristina. Azonao atao ny mamaky ny dikantenin-dahatsoratra nosoratan'i Cristina sy ny namana mpandray anjara ao amin'ny Voces Bolivianas amin'ny teny Anglisy ao amin'ny tranonkalan'ny Voces Bolivianas.
Tranom-barikan'i Dhaka
Mitondra antsika hitety ny tranombarikan'i Dhaka (na ny ambany tanàna araka ny fiteny hafa) ny ekipam-bilaogeran'ny Nari Jibon, mamariparitra ny fiainan'ny Bangladeshita monina amin'ny faritra mahantra indrindra amin'ny renivohitra. Noho ny fandehanan'ny dikantsoratra haingana dia haingana, dia afindrako eto izany soratra izany.
Sava-lalana momba ny Iran Inside Out
Shaghayegh Azimi no fehin'izay lazaina matetika ato amin'ny Global Voices ho "bridge-blogger" [bilaogera-tetezana fampitana]; olona mampiasa ny bilaoginy mampita na mampifandray kolontsaina roa na maro. Fa misy zavatra iray voamarika - tsy tena bilaogera i Azimi. Amin'ny maha-mpamokatra filma taloha azy tao Iran, ny lahatsary hatrany no nosafidianany ho fitaovam-panehoan-kevitra.
[Lahatsary] Sombin-tsarin'ny Iran Inside Out
Atolotr'i Shaghayegh Azimi amintsika izay heverina fa hivoaka amin'ny Iran Inside Out, tetikasa eny an-kianja miara-miasa amin'ny videobilaogera iraniana ao an-toerana mba hamantarana izay tanora mpanatontosa sarimihetsika misandratra sy mampianatra azy ireo ny fomba izarana ny asany an-tserasera.