admin · Avrily, 2018

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Avrily, 2018

Makedonia: Andro fahalalahan'ny rindrambaiko

Ao anatin'ny Andron'ny fahalalahan'ny rindrambaiko manerantany, nikarakara hetsika fanin-telony tao tao afovoan-tanànan'i Skopje ny Free Software Macedonia. Tamin'ny 4 Oktobra, nizara bokikely sy kapila mangilatra ahitana Linux Ubuntu izy ireo, izay nomanina manokana tamin'ity indray mitoraka ity

28 Avrily 2018

Olona an'arivony no mety ho very asa sy voafindra toerana noho ny drafitry ny governemantan'i Filipina hanakatona ny nosy toeram-pialasasatra Boracay

Manao fanentanana ny mponina ao Boracay ao afovoan'i Filipina, ao amin'ny faritanin'i Aklan mba hanohitra ny drafitry ny governemanta  hanakatona sy "hanavao" ara-tontolo iainana ny toeram-pialasasatra malaza manerantany ao amin'ny nosy mandritra ny enim-bolana, no sady eo am-panamboarana casino roa mandritra izany.

28 Avrily 2018

Mibilaogy ny nofy: Paikady sy fanamby

Rising Voices

Natomboky ny Fikambanana Orizonturi (Fikambanana Fara-vodilanitra amin'ny teny gasy) tamin'ny fararano lasa teo ny tetikasa, izay vatsian'ny Rising Voices ara-bola. Manampy ny olona manana olana ara-tsaina ny fikambanana, izay manana ny foibeny ao Câmpulung Moldovenesc, Romania efa ho 15 taona izay.

26 Avrily 2018

FOKO: Manao zavatra betsaka ho an'ny fiarahamonina

Rising Voices

Na dia maro tamin'ireo mpikambana ao amin'ny FOKO aza no nanomboka nianatra tany amin'ny Oniversite, feno hetsika ny volana Aprily ho an'ny Klioba Bilaogy FOKO. Joan Razafimaharo mamintina ny sasany amin'ireo hetsiky ny vondrom-piarahamonina izay andraisan'ireo bilaogeran'ny FOKO anjara.

25 Avrily 2018

Mandehandeha manan-tanjona

Rising Voices

Raha nanontanian'ny mpihaino tao amin'ny Fihaonamben'ny Global Voices tao Budapest, Hongaria hoe "ahoana no ahafahanay manampy?", nilaza i Mialy Andriamananjara ao amin'ny tetikasa FOKO Madagascar fa fahaizana fa tsy vola no tena ilain'ny tetikasa.

25 Avrily 2018