Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

admin · Septambra, 2019

imailaka admin

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Septambra, 2019

Torolalana Fanoratana volana Janoary: Andeha Hankalaza ny Fiainana sy ny Asan'i David Bowie amin'ny sioka

Mamaritra an'i Bowie ho toy ny "iray amin'ireo mpiangaly mozika be mpitia indrindra tamin'ny androny" ny BBC. Betsaka tao amin'ny Twitter no nizara izany fihetseham-po izany ary nandefa sioka tamin'ny fo hatramin'ny nanambaran'ny fianakaviany ny vaovao tao amin'ny kaonty media sosialy ofisialin'ny mpihira, anisan'izany ny Twitter:

Mpivarotra lamba ‘kanga’ mampiavaka an'i Zanzibar nandritra ny 30 taona nasaina niala eny amoron'ny arabe

Nolazaina ireo mpivarotra Kanga ao Stone Town, Zanzibar, fa "fandraharahana tsy nahazo alalana, tsy ara-dalàna" ny toeram-pivarotan'izy ireo eny amoron-dalana satria manelingelina ny fidirana sy ny hankaton'i Stone Town ary mampihena ny lanjany ihany koa, ka nasaina niala tao izy ireo.

Ny Tantara sy ny Mpitantara: Antsipiriam-pandaharana avy amin'ny Atrikasa 2015

Raha mila fampahafantarana maro kokoa momba ny fanatontosana tafatafa mahomby ianao, dia mifandraisa amin'i Lauren azafady.

Matahotra ny hohadinoina ireo mponina ao amin'ny faritra Japoney niharan'ny rivo-doza

Nifantoka tamin'ny fiantraikan'ny rivo-doza tamin'ny vahoaka tao Tokyo, ny orinasa, ny governemanta sy ny fampahalalam-baovao ao Japan ihany ny ankamaroan'ny fitantaram-baovao momba ny Rivo-doza Faxai.

Mampahafantatra ny Visual Storytelling

Iray amin'ireo fivoriana tamin'ny fihaonan'ny Fiarahamonina Global Voices nankafiziko indrindra ny resadresaka momba ny fitantarana tantara hita maso avy amin'ny tale mpanatanteraka ao amin'ny GV, Ivan Sigal. Nijery ny fomba ahafahana mampitombo ny teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana ary ny sehatra an-tserasera mba hampiseho tantara amin'ny fomba vaovao ny fifanakalozan-kevitra.

Juan Tadeo: Miatrika ny fahaketrahana taorian'ny fihaonambe

Ho an'ireo namana GV izay mety mamaky ireo teny ireo, avelao aho hilaza hoe: tombontsoa ity, mahafinaritra ianareo, ianareo tsirairay avy ary tsy andriko ny hiara-hiasa akaiky aminareo mba hahatonga ny tontolon'ny bilaogy sy ny aterineto ho toerana tsara kokoa. Antenaina fa hifankahita tsy ho ela isika.

Syria: ao an-tsainay i Gaza (2009)

Maresaka be ny bilaogera Syriana hatramin'ny nisian'ny daroka baomba tany Gaza. Ho an'ny Syriana maro, noho ny fakana maripanondroana miorim-paka lalina sy ela tamin'ny vahoaka Palestiniana izany. Ho an'ny sasany indray, misy ny lafiny tena manokana

Laura Schneider: Tsy mora mihitsy ny niverina nody

Vao avy nanoratra lahatsoratra tao amin'ny bilaogiko momba ny fihaonana an-tampon'ny GV aho ary nandrisika ahy i Marianna Breytman mba handefa izany eto. Saingy fampahalalana ankapobeny ho an'ireo tsy mahalala momba ny GV, sy izay nataontsika tany Filipina izany ary iza no mahalala, mety afaka manampy hahazo mpanoratra vaovao aho.

Vovonana 2015: Fango & Sary

Fango sy sary ho an'ny Fihaonamben'ny Global Voices 2015