Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

admin · Novambra, 2017

imailaka admin

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Novambra, 2017

Miahiahy Momba Ny Kabinetran'ny Filoha Vaovao Ireo Bilaogera Iraniana

Manoratra i S'can-Iranic fa mpikambana ao amin'ny Fikambanana Revolisionera Islamika na miara-miasa akaiky amin'izany ny ankamaroan'ireo olona notendren'ny filoha Ahmadinejad ao amin'ny kabinetrany.

Bitsibitsika Afghana: Lesona Hampianarina & Hianarana

Mahaliana fa mahita ireo firenena vahiny tahaka an'i Iran sy Iraka ireo bilaogera Afgana ary miezaka mianatra sy mampianatra lesona momba ny fandriampahalemana sy ny hafaliana.

Krizy Nokleary ao Iran, Ireo Nosy Ao Amin'ny Helodrano Persiana ary Fanampiana Ara-bola Ho An'i Palestina

Nivory ireo mpikambana maharitra ao amin'ny Filan-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambana sy Alemaina mba hiresaka momba ny hetsika iraisan'izy ireo manohitra an'i Iran ary lohahevitra mafàna ao amin'ny fampahalalam-baovao sy bilaogy Iraniana ilay antsoina hoe "krizy nokleary".

Bitsibitsika Afghana: Resaka Mojahidinina, Parlemanta & Media

Araka ny filazan'ny Yadashtayi az Gharb (fanamarihana avy any Andrefana), niresaka momba ny Mujahedeens tamin'ny fomba ratsy teo anoloan'ny solontenan'ny Mujahedeens sy ny hafa tao amin'ny Parlemanta Afghana (Loya Jigra) Ramatoa Malai Joya.

Bitsibitsiky ny Afghana: Fianjerana Fiaramanidina & Fitroarana

Araka ny filazan'ny haino aman-jery herinandro lasa teo izay, niparitaka manerana ny renivohitra ny fihetsiketsehana mahery setra manohitra ny vahiny tamin'ny Alatsinainy rehefa nandòna fiara maromaro ny kamiao miaramila Amerikana. Andeha hojerentsika izay lazain'ny bilaogera momba ity zava-nitranga ity.

Mpanao Gazety Tratran'ny Fanerena & Krizy Nokleary

Nilaza i Saminejad’, mpisolovava sady bilaogera voafonja fa nolavin'ny fitsarana ny fampakaran'izy ireo ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony ary tokony higadra mandritra ny folo volana izy. Namoaka izany vaovao izany ny ISNA, Sampan-draharaham-pirenen'ny Mpianatra Iraniana.

Bilaogy Afghanistana: Gazety, Zaher Shah & Talibana

Garderah, bilaogera Afghana izay nitsidika an'i Afghanistan vao haingana, nanoratra fa maro ny Afghana gaga amin'ny hamaroan'ny isan'ny gazety, radio, fahitalavitra tsy miankina izay miara-miasa amin'ny governemanta.

Hibilaogy i Khatam, Fiaramanidina Nianjera & Niharam-boina, Mofo & Fahalalahana!

Araka ny filazan'i Zannevesht, vehivavy Iraniana bilaogera sady mpanao gazety, nanapa-kevitra hibilaogy amin'ny faran'ity herinandro ity ny filoha teo aloha Khatami.

Bilaogy Afghanistana: Mpanao Tononkalo Namoy ny Ainy, Herisetra & Fanafahana

Mpanao tononkalo novonoin'ny vadiny, herisetra & fanafahana ny Olom-pirenena Kabul no resahan'ireo bilaogy.

Filipina: Manome Voninahitra Ho An'ireo Maty Any Am-pasana

Mankalaza ny 1 Novambra ho andro hanajana ny olo-masina sy ny maty ny ankamaroan'ireo Filipiana Katolika . Satria maro amin'ireo Filipiana no mitsidika ireo hava-tiana efa maty any am-pasana, andro tsy fiasàna ao Filipina ny 1 Novambra.