Ejypta: Fahombiazana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tsy teny siantifika fotsiny ampiasain'ny Injeniera Mekanika ny teny hoe fahombiazana. Nanapa-kevitra hampihatra izany eo anivon'ny fiarahamonina ihany koa ilay Ejiptiana bilaogera Ahmed Tharwat (Ya Marakby).

Tharwat nanamafy fa tsy mahomby ny mpiasan'ny governemanta, hoy izy nanoratra:

بيقولوا إن لو عندك إتنين موظفين شغالين في مكتب في مصلحة حكومية وكل واحد منهم بيشتغل بكفاءة 90% (الشر برة وبعيد) يبقى الكفاءة العامة للمكتب كله تتحسب إزاي؟ الكفاءة العامة هي حاصل ضرب كفاءة الإتنين الموظفين
يعني “%90 × %90 = %81″ .. مفاجأة مش كدة؟

طيب لو عندنا 3 موظفين في المكتب إياه .. وكل واحد كفاءته هي %90 برضه .. يبقى الكفاءة العامة للمكتب ده كام؟ هي حاصل ضرب كفاءة التلاتة موظفين
يعني “%90 × %90 × %90 = %73″ .. شوفتوا الرقم صغر إزاي؟

Voalaza fa raha manana mpiasa roa miasa ao amin'ny sampan-draharaham-panjakana isika, ary ny fahombiazan'ny tsirairay amin'izy ireo dia 90% (azo antoka fa tsy maintsy manonofy isika), noho izany, ho vokatry ny fahombiazan'ny tsirairay tamin'izy ireo ny fahombiazan'izy ireo. Izany hoe. “90% x 90% = 81%”.

Ankehitriny, andeha lazaina fa manana mpiasa telo isika fa tsy roa, ka ny fahombiazan'izy ireo manokana dia “90% x 90% x 90% = 73%”, jereo fa miha mihena hatrany ny isa.

وعلشان ما أطولش عليكم .. لو عندنا في مصر 70 مليون مواطن .. وخير اللهم إجعله خير كان كل واحد فيها بيشتغل بكفاءة 90% برضه .. ممكن حد يحسب ويقولي الكفاءة العامة لمصر تبقى كام؟ إضربوا كده “%90″ في “%90″ سبعين مليون مرة وشوفوا هتطلع كام .. حسبتوها؟ مصدومين مش كده؟ أيوة .. الإجابة تقريبا صفر .. أيوة صفر

Raha hafohezina, eo amin'ny 70 tapitrisa eo ny mponina Ejyptiana. Ary raha miasa amin'ny fahombiazana 90% ny tsirairay amin'izy ireo, azonao atao ve ny mikajy ny fahombiazan'ny mpiasa Ejiptiana madiodio? Ampitomboina in-70 tapitrisa ny “90% x 90%”. Gaga ianao ankehitriny, sa tsy izany? Eny, aotra, mila ho zero ny vokatra azo!!

اللي أنا عايز أقوله إننا لازم نشتغل بكفاءة أقرب ما تكون لل 100% علشان الكفاءة العامة ما تقلش قوي كده لحد ما تبقى صفر

Noho izany, ny tiako holazaina eto dia, tokony hiara hiasa amin'ny fahombiazana efa ho100% isika mba tsy hahatonga ny vokatra ho bankirompitra ary tsy mijanona ho zero isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.