Filipina: Vondrona Miaro Ny Zon'olombelona, Mangataka ny Apple Hamafa Ireo Kilalao Manindrahindra ny Ady Ataon'ny Filoha Duterte Amin'ny Rongony

Dikasarin'ny kilalao Fighting Crime 2.

Maherin'ny 130 ireo fikambanana erantany no nanao sonia ilay fanangonan-tsonia mangataka ny Apple Inc. mba hanàla ao amin'ny toeram-pivarotany ireo karazana kilalao amin'ny finday izay manome voninahitra ny “ady amin'ny rongony” any Filipina.

Nalefa ho an'ny Filoha tale Jeneralin'ny Apple, Tim Cook, natao sy naparitaky ny Tambajotra Aziatikan'ireo Olona Mampiasa Rongony (AMPUD) ilay fanangonan-tsonia, fikambanana mitoetra any Thailand izay manindrahindra ny fahasalamana sy fiarovana ireo zon'olombelona ho an'ireo mpampiasa zava-mahadomelina.

Izingizinin'ilay taratasy fanangonan-tsonia fa manitsakitsaka ireo politikan'ny Apple ireo kilalao ireo, politika izay mandrara ireo kilalao manindrahindra herisetra atao amin'ny olombelona sy ny biby. Angatahany ny Apple hanao fandinihana matotra an'ireo fampiasa vokatry ny aingam-panahy avy amin'i Duterte, hanàla ireo fampiasa izay manindrahindra herisetra atao amin'ireo mpampiasa rongony, ary hiala tsiny noho ny fampiantranoana ireo fampiasa ireo.

Ady ataon'i Duterte amin'ny rongony

Hatramin'ny nandraisany fahefana ny 30 Jona 2016, nataon'ny Filohan'i Filipina, Rodrigo Duterte, ho vaindohan-draharaha ny hetsika miady amin'ny rongony.

Fa lasa nalaza be vetivety teo ireo hetsika ady amin'ny rongony nataon'ny polisy (fantatra amin'ny hoe Oplan Tokhang) noho izy ireo nahatonga famonoana olona an'arivony noahiahiana ho misera rongony. Naharakitra famonoana miisa 6.000 mifandraika amin'ny rongony ny polisy, fa milaza anefa ireo vondrona sasany mpiaro zon'olombelona fa maherin'izany ny isan'ireo maty, any ho any amin'ny 13.000. Na ny vondrona iraisam-pirenena aza naneho ny antso fanairana manoloana ny famonoana be miseho, mifandraika amin'ny rongony eo amin'ny firenena,.

Ny governemanta Duterte dia ampangain'ireo vondrona samihafa mpiaro zon'olombelona ho maneho fanohanana ny tsimatimanota amin'ny alàlan'ny fiverimberenan'ny fiarovana ny polisy, anisan'izany ireo izay voarohirohy tamin'ireo vono olona ivelan'ny fitsaràna.

Ireo sasany mpanohana mavitrika an'i Duterte naneho ny fanohanany azy tamin'ny famoahana lalao finday hevitra nalaina avy tamin'ny Oplan Tokhang. Asongadi'ireo lalao ireo i Duterte sy ny lehiben'ny polisim-pirenena miady amin'ireo mpanao heloka sy ireo olo-malaza mikirakira rongony.

Ny sasany amin'ireo lalao nalaina avy tamin'ny tantaran'i Duterte, afaka hita ao amin'ny Apple. Sary avy tao amin'ny Tambajotra Aziatikan'ireo Olona Mampiasa Rongony (AMPUD)

Milalao lalaon'ady

Ny volana Oktobra 2016 lasa teo, notaterin’ ny Global Voices fa ny iray amin'ireo lalao ireo, ny Fighting Crime, dia nahatratra roa tapitrisa ny nitrohana azy. Fighting Crime, novokarin'i Tatay Games, ahafahan'ny mpilalao hilalao ny anjara andraikitr'i Rody (solonanaran'i Duterte). Ny tanjon'ny mpilaalo dia ny mitifitra sy mamono ireo meloka amin'ireo karazana fitaovam-piadiana sy hery manokana maro. Tapitra ny lalao raha ireo fahavalo ireo no mahita aloha ny filoha mialohan'ny hahatifirany azy ireo.

Lalao iray hafa indray, Tsip Bato: Ang Bumangga Giba! no novokarin'i Ranida Games niaraka tamin'ny fanohanan'ny Vondron'ny Fiarahamionim-Pifandraisana ao amin'ny Polisy, izay vondrona ao anatin'ny Polisim-Pirenena Filipiana. Afaka mitàna ny andraikitr'i sefo Ronald “Bato” Dela Rosa na ny an'ny Filoha Duterte ireo mpilalao, mitondra fiaran'ny polisy ary mitifitra na manenjika ireo olo-meloka mihaodihaody eny an-dàlambe.

Toa mampahatsiahy ny fomba nanitsahan’ny fiaran'ny polisy ireo indizena sy vitsy an'isa mpanao hetsi-panoherana nanoloana ny Masoivohon'ny Etazonia ny taona lasa ilay fihetsika fandavoana ireo fahavalo ao anatin'ny lalao.

Dikasarin'i Tsip Bato: Ang Bumangga Giba! app.

Duterte vs Zombies, kilalao novokarin'i Lemuel Levi Caldito, mampitaha ny ady amin'ny rongony ataon'i Duterte amin'ny apokalipsanà faty mitsangana. Mandrindra ny olona lalaovina “Tatay Digong” (anaram-petaka mahafinaritra omen'ny filoha ampiasain'ireo mpanohana azy, izay midika ara-bakiteny hoe “Ray Duterte”) ireo mpilalao, miady amin'ireo olo-meloka aseho ho toy ny faty mitsangana tsy misy atidoha sy lian-drà.

Dikasarina'i Duterte vs. Zombies.

Tao anatin'ny taratasy misokatra nalefan-dry zareo, nanipika ny sasany amin'ireto lohahevitra ireto ireo mpiaro zon'olombelona, miampanga ny firaisan'ny Apple tsikombakomba amin'ny fanaovana ho mety ireo famonoana tsy ara-dalàna sy ny tsimatimanota. Ampahatsiahivin'ireo mpanasonia amin'ilay orinasa fa mety hahafinaritra ireo lalao, saingy kosa manaparitaka hafatra mampidi-doza izy ireo:

Manome lanja sy manao ho ara-dalàna ny fipoiran'ny herisetra ataon'ny fitondran'i Duterte sy ny tsy firaharahian'ny governemantany ny resaka zon'olombelona ireo lalao ireo….mety ho toy ny tsy mampidi-doza sy mahafinaritra ireo lalao ireo, nefa rehefa apetraka amin'ny zava-misy ankehitriny, amin'ireo famonoana olona tena izy ary ny tsy fampiharana ny lalàna, dia lasa manafintohina sy mahasorena ireo lalao ireo.

[…]

Tsy azo ekena hoe mandefitra sy maka tombontsoa amin'ny famonoana tsy ara-drariny sy amin'ny fahantran'ny olona ny Apple.

Milaza ihany koa ilay taratasy fa ireo lalao ireo dia manitsakitsaka ny App Store Review Guidelines (Torolàlana arahan'ny fivarotana fampiasa) an'ny Apple, amin'ny fisian'ny herisetra tsy azo lavina. Sady amin'izay indray, ireo torolàlana ireo dia mandràra ny “endrika tena izy anà olona na biby vonoina, kilemaina, ampijaliana, na voaolana, na votoaty mandrisika herisetra” (andalany Faha- 1.1.2). Afaka hita ao amin'ny Google Play Store ihany koa ireo lalao nalaina avy tamin'ny tantaran'i Duterte ireo.

Ahitàna vondrona miisa 131 mpiaro zon'olombelona, ivontoerana fanarenana, ary tambajotranà mpisolovava hafa avy amin'ny firenena maherin'ny 30, ireo mpanao sonia, tafiditra amin'izany Aostralia, Kambodiza, Frantsa, India, Indonezia, Nepal, Netherlands, Pakistana, Romania, Singaporo, Sri Lanka, Thailand, ny Royaumes Unis ary Etazonia, ankoatra ireo hafa maro.

Nitranga tao anatin'ny fitroaran'ireo hetsi-panoherana io hetsika manohitra ny lalao nalaina tamin'ny tantaran'i Duterte io, tsy hoe fanoherana ireo famonoana fotsiny ihany, fa ihany koa ny fandrahonan'ny filoha ny hampihatra lalàna miaramila raha toa ireo vondrona mpanohitra ka manohy manao hetsika ‘fanozongozonana’ ny governemanta.

Nanery ny polisy hanambara ny fahataperan'ny hetsika tamin'ny voalohandohan'ity volana ity ny hatezeram-bahoaka manohitra ireo fanamparam-pahefana atao amin'ny anaran'ny Oplan Tokhang. Eo ambany fitantanan'ny Masoivoho Filipiana Miady Amin'ny Rongony ankehitriny ny hetsika miady amin'ny rongony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.