Planina Marshall, Haintany sy Herat

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Inona no nitranga tamin'ny Planina Marshall?

Nanazava ny antony mahatonga ny drafitra Marshall ao amin'ny fireneny tsy nahatratra ny tanjony i Sanjar. Hoy izy nanoratra:

After the establishment of President Karzai’s government in
Afghanistan there was talk of the need for implementation of a plan much like the Marshall Plan for post Second World War Europe.What happened next was pledges of billions of dollars towards the recovery of Afghanistan and actual expenditure of millions in that country,but no Marshall Plan.

Taorian'ny fametrahana ny governemantan'ny Filoha Karzai tao Afganistana, nisy ny resaka fa ilaina ny fanatanterahana drafitra tahaka ny Planina Marshall tamin'ny Ady Lehibe Faharoa tao Eoropa. Ny zava-nitranga taorian'izay dia fampanantenana vola amina miliara dolara manoloana ny fanarenana an'i Afganistana sy ny fandaniana an'arivony tapitrisa ankehitriny ao amin'io firenena io, fa tsy nisy Planina Marshall.

Miezaka mitady vahaolana ity bilaogera ity: Tsy maintsy manome antoka i Etazonia sy ny Firenena Mikamban fa mangarahara ny fizotran'ny fanampiana an'i Afghanistan.

Hain-tany

Safrang kosa miresaka momba ny haintany izay namely an'i Afganistana. Nanoratra izy hoe: fanindroany tao anatin'ny folo taona latsaka, niharan'ny haintany i Afganistana. Mampitandrina i Oxfam  fa olona 2,5 tapitrisa no miatrika tsy fahampiana ara-tsakafo miverimberina. Miresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fiheverana iraisampirenena izy satria tsy manana fomba hiatrehana ity toe-javatra ity ny governemantan'i Afghanistan.

Herat

Nilaza i Demilitarized fa amin'ny vanim-potoanan'i Karzai ao Afghanistan, raha mitady zavatra fahiny momba ny fampandrosoana ianao- aza manalavitra an'i Herat. Nipoitra toy ny tanàna iray miaraka amin'ny firoboroboan'ny fiarahamonim-pirenena i Herat – na izy nipoitra avy any ivelany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.