Tantara mikasika ny Arabia Saodita tamin'ny Novambra, 2013
Tafatafa Tamin'ilay Gadra Saodiana Niteraka Adihevitra Momba Ny Fanagadrana Tondro Molotra
Niha-nafàna ny adihevitra momba ny olana amin'ny fanagadrana tsy amin'ny antony taorian'ny fandaharana resadresaka notontosain'ny fahitalavitra Saodiana malaza MBC niarahana tamin'i Walid al- Sunani. Fantaro ny antony
Orana Naha-dobo Rano An'i Riyadh Renivohitra Saodiana
Maro no naneho hevitra hoe nahoana no firenena iray manan-karena tahaka an'i Arabia Saodita ka enfa dia tsizarizary ny fotodrafitrasa, tsy afaka hiatrika orana akory, taorian'ny nahatondraka rano ny renivohitra Saodiana.
Etiopiana: #MbaMisiaOlonaMitenyAmArabiaSaodita Hampiato Ny Famoretana Mpifindra Monina
Nanomboka nampihatra ny famoretana ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna i Arabia Saodita taorian'ny nahataperan'ny fe-potoana famelan-keloka nomena ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ireo. Mahatsiaro ho lasibatra ireo Etiopiana mpifindra monina.
Saodiana: Tsy Mahazo Mankeny Amin'i .. Mars
Niteny tamin'ny alàlan'ny gazety Al Hayat i Shaikh Ali Al Hekmi, ilay Saodiana tampom-pahaizana amin'ny resa-pivavahana fa tsy azon'ny zanak'olombelona haleha ny planeta mena. Tapa-tsinay ireo mpisera ao amin'ny aterineto.
Arabia Saodita: Nosamborina Ilay Mpanoratra Nanohana Ireo Vehivavy Mpitondra Fiara
Enina andro lasa izay dia nosamborina noho ny fanehoany ny fanohanana ny zon'ny vehivavy ao amin'ny fireneny hitondra fiara ny mpanoratra Saodiana iray. Ankehitriny ny mpiserasera no mitaky ny famotsorana azy.
LAHATSARY: Lehilahy Saodiana Namono Mpiasa “Niresaka Tamin'ny Vadiny”
Niparitaka tamin'ny aterineto ny lahatsary iray ahitana lehilahy Saodiana midaroka mpiasa vahiny, niteraka fahatezerana noho ny fanararaotana ireo mpiasa ao amin'ny firenena izany.