· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Arabia Saodita tamin'ny Novambra, 2012

Saodiana Mpitsara: “Izay Ampiharina Amin'ny Mpifehy , Tsy Ampiharina Amin'ireo Olom-peheziny”

  25 Novambra 2012

Vao maraina be androany (24Nov), nanohy ny fakàna am-bavany ireo lehilahy roa mpikatroka mafàna fo manana ny maha-izy azy amin'ny fiarovana zon'olombelona ny Fitsarana Heloka Bevava ao Riyadh, Mohammad Al-Qahtani sy Abdullah Al-Hamid. Ny fitsarana androany dia fifanatrean'ny mpitsara sy ny andaniny avy amin'ny mpiaro fotsny ihany, ary tsy niloa-bava mihitsy mpampanoa lalàna. Olona enimpolo dimy amby no nanatrika ny fifanatrehana, ka tamin'izany no nilazàn'ny mpitsara fa : "Izay Ampiharina Amin'ny Mpifehy , Tsy Ampiharina Amin'ireo Olom-peheziny."

Tontolo Arabo: Inona No Hiova Amin'ny Fahalanian'i Obama Fanindroany?

  23 Novambra 2012

Lany ho filoham-pirenena amerikanina fanindroany i Barack Obama nefa ahoana ny fandraisan’ireo mpampiasa aterineto any amin’ny tontolo arabo izany? Indro misy pitiny kely tamin’ireo bitsika tao amin’ny Twitter taorian’ny fahalaniany indray. Mizarazara ny fihetseham-po, raha faly noho ny politika ivelan’i Etazonia any an-toerana ny ankabeazany, ny hafa kosa dia faly satria nandresy i Obama.

Arabia Saodita: Mpanao Hetsi-panoherana Am-pilaminana HoKaravasiana, Didin'ny Mpitsara

  18 Novambra 2012

Tamin'ny Septambra lasa teo, nanoratra izahay mikasika ny fitorevahana ora 24 tsy mbola nisy toa azy nataon'ny fianakavian'ireo gadra tsy nandalo fitsarana. Nohazaina sy nosamborina ireo mpanao fihetsiketsehana nony farany. Halina, namoaka didim-pitsarana manameloka ny 19 tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ilay Saodiana mpanao gazety, Iman al-Qahtani, tao amin'ny Twitter. sazy didy miantona fikaravasiana 50-90 ary fonja ho an'ny 14 amin'izy rehetra, ahitàna ilay olona nitondra sakafo ho an'ireo mpano hetsi-panoherana. Tonga dia ampiharina ny sazy raha toa ry zareo ka mbola mandray anjara indray aminà fihetsiketsehana. Ireo dimy hafa dia mbola hotsaraina aoriana kely.

Fitsarana Saodiana: “Afaka Manao Izay Tiany Atao ny Mpanapaka”

  12 Novambra 2012

Androany vao maraina no notontosaina ny fotoam-pitsarana fahadimy mikasika ny raharaha mahavoarohirohy ireo mpiaro ny zon'olombelona Mohammad Al-Qahtani sy Abdullah Al-Hamid. Nisisika ny mpitsara tamin'ny fotoam-pitsarana farany teo fa tsy azon'ny olona atrehina ny...