· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Arabia Saodita tamin'ny Jona, 2012

Arabia Saodita: Tolona Hanavotana Ireo Gadra Notànana Tsy Nisy Fitsaràna

  11 Jona 2012

Inoana ny fanjakàn'i Arabia Saodita fa manana gadra an'arivony izay tsy navela niatrika fitsaràna ary maro amin'izy ireo no tsy mahalala akory ny antony nanamelohana azy. Niasa mafy ny fianakavian'ireo gadra ireo nandritra ny volana vitsy farany teo, tamin'ny alalan'ny fampitam-baovao sosialy, mba hampitàna ny vaovao ary farany dia nanapa-kevitra ny hanao fitakiana an-dalàm-be. Mona Kareem dia mitatitra ny niandohan'ny tolona iray tamin'ny Twitter.

Arabia Saodita: “Avohay Ny Voatazona Na Ho Ento Eny Amin'ny Fitsarana!”

  08 Jona 2012

Nanatontosa fihetsiketsehana tao anatin'ny tsenambarotra lehibe roa ao andrenivohitra Rayadh tamin'ny alina lasa teo (6 Jiona 2012) ny fianakavin'ireo gadra politika Saodiana mba hitaky amin'ny governemanta hamoaka ireo havany na hitondra azy ireo eny amin'ny fitsarana . Tao amin'ny tsenambarotra lehibe Sahara sy Hayat no natao ny fihetsiketsehana, iray amin'ireo faritra...