Tantara mikasika ny Arabia Saodita tamin'ny Jolay, 2012
Arabia Saodita : Nolazaina Fa Mpivaro-tena Ireo Solontena Vehivavy Voalohany Amin'ny Lalao Olaimpika
(Amin'ny teny anglisy sy Arabo avokoa ny rohy rehetra) Atleta vehivavy roa no hisolontena an'i Arabia Saodita mandritra ny lalao Olaimpika 2012 atao any Londres, nanomboka ofisialy omaly izany (...
Arabia Saodita: Khaled Al Johani, Mpanao Hetsi-Panoherana Mandeha Irery, Navotsotra Vonjimaika
Fony nisy ny antso hanaovana Androm-Pahatezerana iray tao Arabia Saodita tany amin'ny 11 Martsa 2011 tany, dia azo nisaina tamin'ny rantsan-tànana ireo mpanao hetsi-panoherana sahy niatrika ny polisy marobe. i Khaled Al Johani no hany iray tamin'ireo voarakitra tanaty horonana sy nosamborina avy eo. Maneho hevitra momba ny famotsorana an'i Al Johani mandritra ny 48 ora ireo mpampiasa aterineto.
Tontolo Arabo: Ny Feon'ireo Sembana
Nisy ny fanentanana antserasera nalefa vao haingana teo amin'ny tontolo Arabo mba hampahafantatra bebe kokoa ny tolona ataon'ny olona sembana ho fiarovana ny zony. Nanambara i Abdallah AlShalaqi, mpitolona ao Arabia Saodita, sy...
Arabia Saodita : Hiteraka any am-pigadrana ve i Arwa Baghadi ?
Gadra vavy Saodiana iray antsoina hoe Arwa Baghadi no efa akaiky ho teraka ao amin'ny fonja. Tamin'ny volana may 2011, ny Saudi Civil and Political Rights Association (ACPRA – Fikambanana momba ny...
Arabia Saodita: Bitsika Hahatsiarovana llay Mpanohitra Voafonja
Taorian'ny fanonganana ireo filoham-pirenena Toniziana sy Ejiptiana, niparitaka ny antson'olon-tsy fantatra hanaovana "Androm-pahatezerana" any Arabia Saodita ny 11 Martsa 2011. Ho valin'izany, nanaparitaka ireo mpitandro filaminana maro tany amin'ireo tanàn-dehibe ny governemanta mba hahazoana toky fa hijanona anaty aterineto fotsiny ihany ny hetsi-panoherana. Lehilahy iray, Khaled Al-Johani, no nanohitra ary voasambotra tamin'io andro ihany. Mivondrona ireo mpampiasa aterineto hanintonana ny saina amin'ny tranga mahazo azy.