· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Arabia Saodita tamin'ny Avrily, 2019

Arabia Saodita: Ny Hijab sy i Frantsa

  28 Avrily 2019

Tamin'ny taona 2004, noraràn'i i Frantsa ireo mpianatra ao amin'ny sekoliny mba tsy hanao fitafiana hanehoana marika ara-pivavahana sy fitafiana maneho maha-mpikambana amin'ny fivavahana - anisan'izany ny fehiloha Silamo na ny Hijab ho an'ny vehivavy. Manohitra ny fitsipika ankehitriny ireo vehivavy Saodiana - efa-taona aty aoriana, hoy ireo bilaogera.

Sivana tsy voasakan-tsisintany: ny zavatra niainan'ny bilaogera Maraokana iray

GV Mpisolovava  04 Avrily 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Bilaogera Maraokana manan-talenta i Naoufel Chaara. Efa nahazo loka tamin'ny fifaninanana bilaogy tsara indrindra iraisam-pirenena (BOB) izay nokarakarain'ny Deutsche Welle tamin'ny taona 2010 tamin'ny sokajy Best Arabic Blog (Bilaogy amin'ny teny Arabo tsara indrindra) ny tranonkalany. Mazàna misy fiantraikany...

Fitempon'ny Tontolom-bolongana Saodiana

  01 Avrily 2019

Ndeha hatombontsika amin'ny fandrakofana an'ireo media iraisam-pirenena mikasika an'i Arabia Saodita ny famintinantsika an'ity herinandro ity, izay nisarika ny sain'ireo blaogera marobe. Mandefa fanehoankevitra iray i Mansur tao anatin'ny tantara iray an'ny tranonkala an'ny BBC.