Tantara mikasika ny Arabia Saodita tamin'ny Marsa, 2011
Arabia Saodita: Nampanantena Volabe Ny Saodiana Ny Mpanjaka
Volabe no nampanantenaina ny Soadiana androany (18 Martsa 2011), taorian'ny teny nataon'ny Mpanjaka Abdulla ho an'ny firenena. Tanatinà teny fohy, ilay Mpanompon'ireo Trano Masina Fivavahana roa dia nisaotra ireo mpisorona, ny mpanoratra ary ny Ministeran'ny Atitany noho ny ezaka nataon'izy ireo hiarovana ny fanjakana. Filazàna sy didim-panjakana avy eo no nanaraka fa hoe volabe an-davitrisa no hatondraka ho an'ny Saodiana.
Bahrain: Taratasy avy any amina Bilaogera tamin'ny fidiran'ny tafik'i Arabia Saodita
Andia miaramila an-jatony avy any Arabia Saodita sy ny Vondrona Arabo izay eo ambany fiarovan'ny Filan-kevitra Fiaraha-miasan'ny Helodrano no tonga tao Bahrain ny Alatsinainy 14 Martsa mba hanampy ny fitondrana...
Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy
Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.
Arabia Saodita: Inona no tadiavin'ny vahoaka?
Raha nameno ny faritra ny fihetsiketsehana, dia nampiaka-peo koa ny Saodiana. Efa nivezivezy ny fanangonan-tsonia omena ny Mpanjaka Abdulla, misy ny fangatahana mikatsaka ny fanovana politika maro. Ny fangatahana, nomena anarana hoe...
Arabia Saodita: “Voarara ny fanaovana fihetsiketsehina ato anatin'ity firenena ity”
Namoaka fanambarana mandrara ny hetsi-panoheram-bahoaka ny ofilan-kevitr'ireo pretra.Nahatonga fihetsehim-po mifofofofo be avy amin'ireo mpitoraka tweeter Saodianina izany fanambarana izany.