Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2016

Tantara mikasika ny Arabia Saodita tamin'ny Febroary, 2016

Gadra 10 Taona Sy Kapoka 1000 Azon'ilay Mpisera Twitter Tao Arabia Saodita Noho Ny Fialany Amin'ny Finoana

Namoahan'i Arabia Saodita didim-pitsarana higadra 10 taona ny mpisera Twitter iray ankoatra ny kapoka karavasy 2000 atao aminy noho ny famoahana sioka 600 izay "mampiely atheisma" ato amin'ny aterineto.

Polisim-Pivavahana Saodiana 30 Mianatra Taranja Feno Iadiana Amin'ny Mazia Mainty

Mpikambana telopolo ao amin'ny Vaomieran'ny Fiarovana ny Hasina sy Fisorohana Ny Ditra no nanatontosa fianarana dimy andro amin'ny fomba fiadiana amin'ny mazia mainty, famantarana ny mpamosavy eny fa na dia amin'ny fanakanana ny teny fanonony aza.

Tsy Mampino : Polisin'ny Fitondràntena Any Arabia Saodita Misambotra Saribakoly ‘Vavy’

Nosamborin'ny polisy ara-pivavahana any Arabia Saodita ny saribakoly 'vavy' iray.

Nampihena Ny Didy Famonoana Ho Faty Ho Famonjana Valo Taona Poeta Iray I Arabia Saodita

Navadik'i Arabia Saodita ho famonjana valo taona sy kapoka an-karavasy miisa 800 ny didy famonoana ho faty ilay Palestiniana poeta Ashraf Fayadh, voampanga ho nihemotra tamin'ny finoana.