Tantara mikasika ny Arabia Saodita tamin'ny Aogositra, 2012
Ireo Atleta Vehivavy Saodiana – Natao Resa-be Tao Amin'ny Twitter, Taorian'ny Lalao Olympika
Taorian'ny dingana niakarana tany amin'ny lalao Olympika, ireo vehivavy atleta Saodiana, sady voalohany teo amin'ny tantaran'ny fanatanjahan-tena Saodiana, i Sarah Attar sy Wojdan Shahrkhani dia nahazo vava ratsy tao amin'ny tontolon'ny Twitter Saodiana.
Arabia Saodita: Notsamborina Andron'ny Idy Ilay Mpikatroka Reema Al Joresh
Nosamborina androany vao maraina [19 Aogositra 2012] ilay mpikatroka Saodiana sady mpisera Twitter, Reema Al Joresh raha teny an-dalana handeha hamonjy moske hankalaza ny andron’ny Eid al-Fitr, andro fety Miozolomana manaraka...
Arabia Saodita : Miaro Ny Haja Amam-Boninahitry Ny Vehivavy Siriana?
Ny 11 Aogositra dia nandefa bitsika i Bader Al Domiat avy any Arabia Saodita fa misy Siriana vavy mananontena manodidina ny 300 eo ho eo mitady vady. Niteraka hatezerana teo amin'ireo Saodiana mpikirakira aterineto ilay hafatra, izay niala tsiny tamin'ireo Siriana rahalahiny ary nanameloka mafy an'i Al Domiat, izay avy hatrany dia nampihantona ny kaontiny tao amin'ny twitter.
Arabia Saodita: Iftar Ramadany Hitenenana Hoe Lavina Ny Fitsitokotokoana
Nanapa-kevitra ny andian-dehilahy Saodiana iray fa hanitsaka ny fitsitokotokoana ka nikarakara sakafo maraina Iftar nahitàna niaraka ireo avy amin'ny vondrom-piarahamonina Sunni sy Shia.. Ny fahombiazan'ny hetsika 'Lavina ny fitsitokotokoana' tao Riyadh dia mandrisika ireo Saodiana hikarakara hetsika toa azy iny manerana ny Fanjakana.