
Tsy azon'ny Saodiana aleha i Mars, hoy Shaikh Ali Al Hekmi, tampom-pahaizana amin'ny ara-pinoana. Sary : Foiben'ny Sidina Marshall Space an'ny NASA (CC BY-NC-ND 2.0)
Fantatrareo ve fa voarara [haram], na ota ny fandehanana eny amin'ny Mars? Niteny tamin'ny alàlan'ny gazety Al Hayat i Shaikh Ali Al Hekmi, ilay Saodiana tampom-pahaizana amin'ny resa-pivavahana fa tsy azon'ny zanak'olombelona haleha ny planeta mena, dia ny olona izay tsy tokony hanimba ny ainy.
Navoaka ny fatwa (didy ara-pivavahana) taorian'ny nanambaràna tetikasa iray “Mars One” izay manomana dia tsy miverina mankeny amin'io planeta io, amin'ny fanantenana hametraka andian'olona honina voalohany eny. Araka ny Al Hayat, enina tamin'ireo nisoratra ho amin'ilay dia (mandra-pahafaty) no nekena handray anjara amin'ilay iraka.
Ao amin'ny Twitter, tonga dia vely kanonta mivantana be no nataon'ireo Saodiana ny sasantsasany tamin'ireo fatwa mahatsikaiky, nivoaka avy tao amin'ny fitondram-panjaka tsy refesi-mandidy, teo ambanin'ny tenifototra Arabo #الاشتراك_في_رحلة_المريخ_حرام, izay raha adika dia Haram (Voarara) ny Fandraisana Anjara Amin'ny Dia Hankeny Amin'ny Mars .
@mthaail mihanihany hoe :
#الاشتراك_في_رحلة_المريخ_حرام متى ؟ وين ؟ ليه ما احد قالي ؟ طيب يمديني أسجل معهم ؟
— مثائل (@mthaail) October 31, 2013
Rahoviana? Aiza? Nahoana aho no dia tsy nisy nampilaza? Ahoana no fomba hisoratako anarana miaraka amin'izy ireo?
Mitohy ny hanihany :
#الاشتراك_في_رحلة_المريخ_حرام اناشد ولاة الامر بإافتتاح مكتب للهيئة على المريخ وياليت لو نعرف ماحكم نكاح الكائنات الفضائية بالمره — (Just) عبدالله (@M3a_NFSY) October 31, 2013
Antenaiko ny mba hanokafan-dry zareo birao ho an'ny Kaomitin'ny Fampiroboroboana ny Soatoavina sy ho Fisorohana ny Ratsy [polisim-pinoana] eny amin'ny Mars. Ary raha mbola ao anatin'ity lohahevitra ity ihany isika, inona no lalàna ara-pinoana mifehy ny fivadiana amin'ireo “aliens”?
Ahiahian'i Ms Doshe ho familiviliana ny sain'ny Saodiana amin'ny famoretana natao tsy ela akory tamin'ilay fanentanana mba hahafahan'ny Saodiana vavy mamily fiara io fatwa io. Mibitsika izy :
#الاشتراك_في_رحلة_المريخ_حرام لا تحاولون تغيرون الموضوع مازلنا في مرضوع سياقة المراه للسياره — « Ms.unique » (@MsDoshe) October 31, 2013
Aza mitady hanova ny lohahevitra e. Mbola ny olan'ny vehivavy mamily fiara aloha izao no atrehantsika.
Khaled Abdulrahman, bilaogera, miteny fa ny familiana fiara ao Ryiadh renivohitra Saodiana dia mamoa-doza kokoa noho ny fandehanana any amin'ny Mars :
شوارع الرياض مغامرة اخطر. عضو هيئة كبار العلماء الشيخ علي الحكمي: #الاشتراك_في_رحلة_المريخ_حرام لأنها مغامرة يغلب الظن فيها هلاك المشاركين — Khaled ☕️ خالد (@khaled) October 31, 2013
Mamoa-doza kokoa ny arabe ao Ryiadh! Milaza ilay mpikambana ao amin'ny Filankevitra Ambonin'ireo Saodiana Tampom-pahaizana, i Ali Al Hekmi, fa voarara ao anatin'ny finoana Silamo ny fandraisana anjara amin'ny dia hankeny amin'ny Mars satria iraka hiafara amin'ny fahafatesan'ireo mpandray anjara amin'izy io izany.
Dr Mohamed bin Abdulaziz manampy hoe :
#الاشتراك_في_رحلة_المريخ_حرام انصحكم يا سادة دعوا الارض فقد شبكوها بصكوك الوعاظ.. والمريخ من ارض الله الواسعة، ياليت التحريم عن سرقة المال.
— د/ محمد بن عبدالعزيز (@binaziz2012) October 31, 2013
Toroako hevitra ianareo mba handao ny Tany satria efa kenda rorok'ireo manam-pahaizana ara-pivavahana loatra izy ity. Ampahany amin'ny tany harin'Andriamanitra ny Mars. Nantenaiko mba ho ny fangalaram-bola no horaràn-dry zareo.
Areej manontany hoe :
#الاشتراك_في_رحلة_المريخ_حرام انتو اصلا ايش عندكم حلال ؟!! غير التعدد وتعنيف النساء بمسمى تقويم وسب وقذف الناس بمسمى الغيرة الدينية ؟ — أريــــــــج (@Hejazeah) October 31, 2013
Inona no azo ekena kokoa ho anareo afa-tsy ny fakàna vady marobe sy fanararaotana ara-nofo ny vahivavy sarontsaronana amin'ny hoe fanomezana toerana azy ireny, ary ny fanozonana ny olona amin'ny filazàna fa hoe feno fialonana ianao, amin'ny anaran'ny finoana?
Ary Muteb Al Amari mitodika amin'ilay tampom-pahaizana amin'ny fitenenana hoe :
#الاشتراك_في_رحلة_المريخ_حرام محد طلب راي فضيلتكم ،، وشكراً
— Muteb Al-Aamri (@MutibMusa) October 31, 2013
Tsy nisy na iza na iza naka ny hevitrao anie e. Misaotra anao.