· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Arabia Saodita tamin'ny Febroary, 2013

Arabia Saodita: Mpikatroka Miampanga Ilay Mpitsara Amin'ny Ady Tombotsoa

  25 Febroary 2013

Vao maraimbe tamin'ny 20 Febroary, no notontosaina tao amin'ny Fitsarana Misahana ny Heloka Bevava, ao Buraidah, renivohitr'i Al-Qassim, Afovoany avaratr'i Arabia Saodita ny fotoam-pitsarana ilay mpiara-manorina ny Fikambanana miaro ny zo politika sy sivily (ACPRA), Dr Abdulkareem al-Khadr. Roa herinandro lasa izay no tokony nanaovana ny fotoam-pitsarana, saingy tsy tonga nanatontosa izany...

Arabia Saodita: Ny Hopitaly Mamindra VIH, Ny Minisitra Manome iPad

  24 Febroary 2013

Zazavavy vao 13 taona monja i al-Hakami no tratran'ny VIH rehefa nampidirana rà tao amin'ny hopitaly iray ao Jizan, any atsimon'i Arabia Saodita. Niteraka savorovoro tany amin'ireo tranokalanà media sosialy ity raharaha ity rehefa nitsidika azy ka nanolotra azy iPad ho toy ny fanomezana, ny minisitry ny fahasalamana.

Nahazo Sazy An-tranomaizina 18 Volana Ilay Saodiana Mpanao Fihetsiketsehana

  23 Febroary 2013

Raha niverina tao Arabia Saodita ny Andron'ny Fahavinirana tamin'ny 11 Martsa 2011, mpanao fihetsiketsehana vitsy dia vitsy ihany no tonga nanao fihetsiketsehana sy nihantsy ny fisian'ireo polisy marobe. Anisan'iray tonga tamin'izany i Khaled al-Johani. Niresaka taminà vondrona mpanao gazety i l-Johani izay notarihan'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Fifandraisana tao amin'ny toerana...

Nosamborina fa Voampanga Noho ny Fanarahana ny “Mpaka Fanahy” Ilay mpisera Twitter Saodiana

  18 Febroary 2013

Nosamborina indray i Bader Thawab, mpisera Twitter Saodiana tamin'ny volana Septambra 2012 satria nanoratra sioka miantso ho amin'ny fanonganana ny fitondram-panjaka Saodiana. Anisan'ireo nandefa sioka mivantana ny fandehan'ny fangalana am-bavany fohy voalohany nandritra ny fotoam-pitsaranan'ny Fikambanana Saodiana miaro ny Zo sivily sy politika (ACPRA) izy. Niezaka ny hahazo ny dika mitovy amin'ny...

Nosamborina Ireo Vehivavy Saodiana Mpanao Fihetsiketsehana Satria “Manohintohina Ny Fampandrosoana”

  14 Febroary 2013

Tamin'ny Asabotsy 9 Febroary lasa teo, nikarakara fihetsiketsehana madinika teo anoloan'ny tranoben'ny Vaomieran'ny Zon'Olombelona ao Riyadh, Arabia Saodita ny andiana zaza amam-behivavy, anisan'izany ny vady, zanaka vavy sy renibe an'i Suliman al-Rushoodi, filohan'ny Fikambanana Mpiaro ny Zo sivily sy politika Saodiana izay nogadraina. Vadin'i al-Rushoodi, @omamar1, nandrakitra lahatsary tamin'ny fihetsiketsehana izay nakambana...