Tantara mikasika ny Arabia Saodita tamin'ny Septambra, 2012
Arabia Saodita: Mandrahona Ny Hanakana Ny YouTube Ny Manampahefana
Notaterin'ny Sampan-draharaham-baovao ofisialy Saodiana (SPA) androany vao maraina fa naneho ny heviny tamin’ilay horonantsary “Innocence of Muslims (Tsy fahalalàn'ny miozolomana)” ny Komitin’ny Fifandraisana sy ny Fampahalalam-baovao ka nandrahona ny hanidy ny YouTube,...
Arabia Saodita : Kaomity Manohana Ny Fanaovana Ho Ara-dalàna Ny Fitànana Mandritra Ny Fotoana Tsy Voafetra
Ny Kaomitin'ny Raharaha Islamika sy momba ny Lalàna ao anatin'ilay Antenimiera Fakàn-kevitra Saodiana dia nanohana ny fanalefahana ireo fepetra takiana amin'ny fanamelohana ho faty sy hanome ho an'ny fitsaràna ny fahefana hanaiky ny famonjàna mandra-pahafaty.. Ny lalàna amin'izao fotoana dia manome tsy misy mitsipaka ny fanamelohana ho faty tao amin'ny Kaonsily Nasionaly momba ny Lalàna, saingy ilay fanitsiana natolotra dia mety hanome fahafahana ho an'ny fanamelohana ho faty tsy ho voahozongozon'ny hevitry ny maro.. Ataon'ireo mafàna fo re manerana ny Twitter ny fanoheran-dry zareo.
Arabia Saodita: Mandà Ny Fanaovana Fitsarana Tsy Atrehim-Bahoaka Ireo Mpitarika Reformista
Notanterahina ny 8 septambra ny fotoam-pitsarana fahatelo ireo mpitarika Saodiana malaza amin'ny fiarovana ny zon'olombelona. Nanapa-kevitra ny mpitsara nandritra ny fotoam-pitsarana teo aloha fa tsy hatao ampahibemaso intsony ny fotoam-pitsarana manaraka. Nanapa-kevitra ny handao ny fotoam-pitsarana ny Reformista mpiaro ny zon'olombelona
Arabia Saodita: Mitohy Ny Fitsarana Ilay Mpiaro Ny Zon'olombelona Fanta-daza
Nalaina ambavany fanindroany tao amin’ny fitsarana Ady heloka Bevava Riyadh vao maraimben’ny 1 septambra lasa teo ireo Saodiana malaza mpiaro ny zon’olombelona sy reformista Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid, izay nandray anjara tamin’ny...
Libanona: Ny Fizahan-Tany No Mandoa Be
Ny korontana politika vao haingana tany an-toerana sy ny fakàna olona an-keriny any Libanona no mampandositra ny mpizaha tany, indrindra ireo avy any Golfa. Naneho hevitra ny amin'ny fivoaran-draharaha ireo mpiserasera amin'ny aterineto