Tantara mikasika ny Arabia Saodita tamin'ny Septambra, 2013
Mibilaogy Ho An'ny Fahafahana Amin'ny Fetim-pirenen'i Arabia Saodita
Nanamarika ny fetim-pireneny i Arabia Saodia tamin'ny 23 Septambra. Nibilaogy ny fanantenanan'izy ireo hanana firenena manaja sy mifankatia amin'ny vahoaka ary koa ny fanirian'izy ireo ny bilaogera.
Arabia Saodita – Sady Voatifitra Ianao no Mbola Voasazy Vokatr'Izany
Voatifitra teo amin'ny ambavafony nandritra ny hetsi-panoherana iray tamin'ny taona lasa tao Qatif i Jalal Al-Qattan. Voasambotra izy nanomboka teo ary nohelohina higadra telo taona. Maneho hevitra ny mpisera anaty aterineto.
26 Oktobra: Andro Entina Mankahatra Ny Fandraràna Ny Vehivavy Tsy Hamily Fiara
Napetraky ny vondrona iray ahitàna ireo vehivavy Saodiana mpikatroka mafàna fo ny 26 Oktobra 2013 ho andro iray entina mankahatra ny fandraràn'ny fanjakàna ny vehivavy tsy hahazo mitondra fiara.
Fa Maninona No Manosotra Varinesy Amin'ny Hohony Ireo Lehilahy Saodiana?
Manosotra varinesy amin'ny hohony ireo tovolahy Saodiana sady mampiseho ny volon-tongony ho fandraisany anjara amin'ny teny ifankahafantarana ao amin'ny Twitter midika hoe "Alaivo sary tahaka ny ataon'ny tovovavy ny tenanao".
Lehilahy Namoy Ny Ainy, Manohy Manao Haza Lambo Ireo Olona “Karohinaa” 23 Ao Awwamiya i Arabia Saodita
Namoy ny ainy i Ahmad Al-Mislab, 19 taona, raha nanafika tao Awwamiya ny mpitandro ny filaminana, hitady ireo olona valo amin'ireo 23 "tadiavin'"ny manampahefana.
Manara-maso Ny Sioka Alefan'ireo Mpisolovava i Arabia Saodita
Manara-maso ny sioka alefan'ireo mpisolovava i Arabia Saodita. Maro ireo mahita izany ho tetika vaovao hamelezana ny fahalalahana miteny sy hamelezana ny fiarovana ny zom-bahoaka ao amin'ny fitondra-mpanjaka.
Mpikatroka Saodiana Notsaraina, Tsy Navela Nifandray Tamin'ireo Mpisolovavany
Nanomboka androany vao maraimbe, 1 Septambra ny fotoam-pitsarana faha-efatra an'i Umar al-Saeed. Tsy navela niresaka tamin'ny mpisolovavany i al-Saeed ary nasaina niteny mafy rehefa maka hevitra amin'ireo mpisolo vavany nandritra ny fotoam-pitsarana.