Arabia Saodita : Kaomity Manohana Ny Fanaovana Ho Ara-dalàna Ny Fitànana Mandritra Ny Fotoana Tsy Voafetra

Ny Kaomitin'ny Raharaha Islamika sy momba ny Lalàna ao anatin'ilay Antenimiera Fakan-kevitra Saodiana dia nanohana ny fanalefahana ireo fepetra takiana amin'ny fanamelohana ho faty sy hanome ho an'ny fitsaràna ny fahefana hanaiky ny famonjàna mandra-pahafaty.

Ny lalàna amin'izao fotoana dia manome tsy misy mitsipaka ny fanamelohana ho faty tao amin'ny Kaonsily Nasionaly momba ny Lalàna, saingy ilay fanitsiana natolotra dia mety hanome fahafahana ho an'ny fanamelohana ho faty tsy ho voahozongozon'ny hevitry ny maro.

Ny gazety Al Riyadh dia nitatitra hoe :

وأكدت اللجنة القضائية أن مصلحة الأمة مقدمة على مصلحة الفرد، وقتل التعزير وعقوبته خاصة بالإمام وله مايراه محققاً للمصلحة.
Amafisin'ny kaomity fa ny tombontsoam-pirenena no mandeha alohan'ny tombontsoan'ny isam-batan'olona, ary ny fanamelohana ho faty dia zon'ny mpitondra ny mampihatra azy rehefa hitany fa tokony hatao.

Nambaran'ilay kaomity fa ny anton'ny anohanan-dry zareo ilay fanitsiana dia  :

ما يترتب على بقاء هذه الفقرة من تعطيل الحكم بالقتل تعزيراً وخاصة في قضايا تهريب وترويج المخدرات وقضايا أمن الدولة.
Ny [fitsipiky ny tsy nisy nitsipaka dia] manakana ny fanamelohana ho faty, indrindra indrindra raha toa ka resaka famarotana zava-mahadomelina sy filaminam-pirenena.

Ankoatra'izany, ilay kaomity dia nanohana fanitsiana iray izay manome fahafahana zo ny fitsaràna  hanitatra ny fotoana hitànana ireo voafonja tsy mbola voaheloka ho mandritra ny fotoana tsy voafetra

Ilay Saodiana reformista sady gadra politika fahiny, Moubark al-Zuair, dia nanamarika hoe :

‎‫#لا_لتعديل_المادة_114‬‏ لأن التعديل يعني: استمتع بالقيود بلا حدود ..
@alzuair: [Aza ahitsy ny artikla 114] satria ny fanitsiana dia midika: sitraho mandrakizay ireo  rojovy…

Nilaza i Abdullah al-Sa'id, mpikambana amin'ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Sivily sy Politika fa ezaka io tsy hiraharahàna ny Lalàna iadiana amin'ny asa fampihorohoroana io, ka ilay tolo-dalàna tsy mamely izay narafitra, dia nabaribarin'ny  Amnesty International tamin'ny Jolay 2011

بعد فشل اصدار ( قانون الارهاب ) تحاول الداخلية تعديل المادة التي تمنع الاعتقال دون محاكمة / لتصبح اعتقالاتها نظامية #لا_لتعديل_المادة_114
@abdulllah1406: Taorian'ny andran-dry zareo tsy nahomby mba hampandaniana ilay Lalàana iadiana amin'ny Asa Fampihorohoroana, nandraman'ny Minisitry ny Atitany ny hanao fanitsiana io artikla io mba haha-ara-dalàna ny fitànana amin'izao fotoana.

Nanamarika ilay Sodiana mpampiasa Twitter, Jihad, hoe :

مجلس الشورى رسميًا يتواطأ ضد الشعب، تذكروا موقفهم جيدًا يوم الحساب قريب .. قريب جدًا
@CheJihad: Ny antenimiera fakàn-kevitra dia mandeha mifanipaka tanteraka amin'ny vahoaka. Tadidio tsara ny toerna raisin-dry zareo, satria hotazonintsika ho tmpon'andraikitra amin'izany ry zareo, atsy ho atsy !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.