Notanterahina ny 8 septambra ny fotoam-pitsarana fahatelo ireo mpitarika Saodiana malaza amin'ny fiarovana ny zon'olombelona. Miatrika vesatra ho manentana ny olona hanao hetsi-panoherana sy manohintohina ny fampandrosoana ny firenena i Mohammad al-Qahtani sy i Abdullah al-Hamid, izay anisan'ny mpanorina ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Sivily Sy Politika. Nanapa-kevitra ny mpitsara nandritra ny fotoam-pitsarana teo aloha fa tsy hatao ampahibemaso intsony ny fotoam-pitsarana manaraka, raha nanatrika ny fotoam-pitsarana ny reformista ampolony, izay isa mahatalanjona eo amin'ny tontolo politika saodiana.
Ny maraimben'ny 8 septambra ary, tamin'ny fotoana hanombohan'ny fotoam-pitsarana, nisy polisy iray niantso ny Dr. al-Qahtani sy Dr. al-Hamid , izay nipetraka tao amin'ny faritra fiandrasana, hisintaka amin'ireo mpanatrika hafa. Niditra tao amin'ny efi-pitsarana ry zareo niaraka tamin'ny mpisolovavany roa. Nisioka ny vadin'ny Dr. al-Qahtani, Maha al-Qahtani:
Fotoana fohy taorian'izany, nivoaka ry zareo mba hifampidinika manokana. Nilaza tamin'ny mpanatrika ny Dr. al-Hamid fa heken-dry zareo ny fotoam-pitsarana tsy azo atrehina raha atao ampahibemaso ny fotoam-pitsarana manaraka. Nisioka ny iray tamin'ny mpanatrika, Sultan al-Ajmi:
Nikiry niteny ny mpitsara fa hotohizana tsy atrehin'ny mpanatrika ny fitsarana ary tsy nety nanome antoka izy amin'izay mety ho fizotran'ny fotoam-pitsarana manaraka. Nisioka ny mpisolovavan'i Dr. al-Qahtani, Fowzan al-Harbi:
Niteny tamin'ny mpanatrika ny Dr. al-Hamid:
Dr. al-Qahtani's niteny:
Teo ivelan'ny lapan'ny fitsarana, indreo Dr. al-Hamid sy al-Qahtani miresaka amina vondron'olona, ka anisan'izany ny mpanatrika, manameloka ny fitsarana politika sy milaza fa ny antony tsy hanaovan'ny mpitsara ny fitsarana ampahibemaso dia mety ho betsaka ny hijoro vavolombelona hanohitra ny rafi-pampijaliana fanaon'ny minisiteran'ny atitany. Vetivety taorian'izany, nisy fiarabe nitondra polisy misahana ny rotaka tonga nanaparitaka azy ireo.
Navoaka izy roa ireo taoriana kely, rehefa nanasonia taratasy milaza fa tsy hijery ny fombafombam-pitsarana intsony.