Nalaina ambavany fanindroany tao amin’ny fitsarana Ady heloka Bevava Riyadh vao maraimben’ny 1 septambra lasa teo ireo Saodiana malaza mpiaro ny zon’olombelona sy reformista Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid, izay nandray anjara tamin’ny fananganana ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Ara- sivily sy Ara-politika noho ny tolona maro momba ny fiarovana ny zon’olombelona niantsorohan’izy ireo. Tamin’ny volana Jiona lasa teo no nohenoina tsirairay voalohany izy ireo tao amin’ny fitsarana, nanapa-kevitra ny mpitsara tamin’izany fa hohenoina miaraka amin’ny fotoana iray izy ireo amin’ny fangalana ambavany manaraka.
Anisan’ny fiampangana hanenjehana an’i al-Hamid ny:
Fiantsoana sy fitarihana ny olona hanitsakitsaka ny lalàna, fanakorontanana sy fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana tamin’ny alalan’ny lahatsoratra sy fanentanana ny vahoaka hamonjy fihetsiketsehana ao amin’ny kianjam-bahoaka […]
Fiantsoana tsy ara-drariny ny fitondrana Saodiana ho toy ny fitondrana miaramila napetraka tamin’ny tsy rariny sy tamin’ny famoretana sy ny fanohizana ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona

Abdullah al-Hamad mipetraka amin'ny tany rehefa feno olona ny tao amin'ny efi-pitsarana. Sary: @abdulrhmansh
Andro vitsy lasa, niantso ny vahoaka i al-Hamid mba hanatrika ny fangalana ambavany atao azy ireo ary maro ireo reformista namaly ny antso.
Anisan’ireo nanatrika izany ilay mpanao gazety Saodiana Nawaf al-Qudaimi ary ni-tweet hoe:
@Alqudaimi: Nataon’i Abdullah al-Hamid toy ny valandresaka ny fangalana ambavany natao azy. Hijanona ho tantara izany […]
Anisan’ireo tonga nanatrika ny fitsarana ilay mpanao gazety Saodiana sady mpiaro ny zon’olombelona Iman al-Qahtani. Nandefa sioka izay zava-nitranga izy:
@ImaQh: Hoy i al-Hamid tamin’ny mpitsara: Nahoana ianao no tsy mba manadihady ireo niharan’ny fisamborana sy fampijaliana amin’ny antony? Te hanimba ny [Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo sivily sy politika] ireo satria fantatray avokoa ireo niharam-boina.
Nanapa-kevitra ny mpitsara fa tohizana ny ampitso ny fanadihadiana, ny 2 Septambra, saingy tsy misokatra ho an’ny daholobe izany:
@ImaQh: Tsia, tsy mahazo atrehin’ny daholobe ny fanadihadiana fanindroany. Nangataka alalana tamin’ny mpitsara hanatrika izany fanadihadiana fanidroany atao ny ampitso izany ireo tonga nanatrika ny fanadihadiana [tamin’ny 1 septambra] saingy nilaza ilay mpitsara fa tsy mahazo atrehin’izy ireo izany.
Bilaogera Saodiana fanta-daza Fouad al-Fahran naneho ny fanohanany tamin’ny sioka:
@alfarhan: Andro iray hafa momba fiainan’ny Dr. al-Hamid sy Dr. al-Qahtani. Andro manan-tantara [ho antsika rehetra]!
1 hevitra