Vao haingana ireo mpamokatra ny sarimihetsika “Rehefa Nitsiky i Monaliza” dia nizara ho an'ny daholobe ny traikefan-dry zareo tao anaty fijerena sarimihetsika iray manokana tany Amman, renivohitra Jordaniana. Ilay sarimihetsika mahatsikaiky dia mitantara ny tantaram-pitiavana nisy teo amin'i Monaliza, tovovavy tanora Jordaniana, sy Hamdi, Ejiptiana miasa ho fanirakiraka. Izy io dia nalefa nifanindran-dàlana amin'ireo tantara hafa ahitàna ny sokajim-piarahamonina maro karazana ao Amman izay tsy mbola naseho mihitsy tanàty sarimihetsika Jordaniana.
Ao amin'ny tranonkala 7iber, ilay Jordaniana bilaogera, Nasseem Tarawnah, dia maneho ny fandalàny an'ilay sarimihetsika:
Tsy hoe nandeha lavitra loatra, ilay sarimihetsika dia milaza ny tantaran'ny tovovavy Jordaniana iray antsoina hoe Monaliza izay latsa-pitiavana taminà Ejiptiana iray mpiasa birao, Hamdi. Saingy mety ho hadisoana ny handefa azy io ho toy ny tantaram-pitiavana iray ihany anatin'ny maro, satria ao ambadik'ireo sokajy ireo dia vehivavy iray miady ho afaka amin'ny tsindrim-piarahamonina, hahazo fizakantena, hiala amin'ny fahantrana tsy miroso tsy mihemotra, ary hahita ny karazam-pahasambarana izay any am-parany hitondra tsiky ho an'ny endriny efa zatra ny natoky.
Fadi Zaghmout koa dia naneho hevitra momba ilay sarimihetsika ao amin'ny bilaoginy ” The Arab Observer”:
Ilay sarimehetsika izay natao handonana ireo trano fandefasana any an-toerana dia dingana iray hafa manasongadina ny fifohazan'ny nofinofy iray hamorona indostrian'ny sarimihetsika ao Jordania. Ny indostrian'ny sarimihetsika izay mbola ao anatin'ny fahazazany dia tsy manana raikipohy efa nipetraka mialoha, na vina, na tantaram-pahombiazana tany aloha mba ho fakàn-tàhaka. Ny hany ananany dia Jordaniana tanora vitsivitsy tsara ofana sy manana talenta izay manana ny fahasahiana ilaina hanatanterahana ny fanamby ho enti-manao ny àndrany manokana sy manoratra ny anarany amin'ny vato ho an'ireo taranaka mandimby ho avy.
Etsy ankilany, i Naser dia miatrika ny sarimihetsika aminà zoro hafa. “Rehefa Nitsiky i Monaliza Ary Nikiaka i Nayfe” no anarana nomeny ny bilaoginy. Manoratra izy:
Ao amin'ny Twitter, Nadia Eleiwat, ilay mpamokatra izay namokatra ny sarimihetsika tamin'izay teo am-pela-tànany, dia niteny hoe :
Mankasitraka ny mozika lafiky ny sarimihetsika i Ola Eliwat :
@ola_eliwat: Ary izany eo ihany, tsy mampino ny mozika!
Feno fankasitrahana ihany koa i Hazem Zuraikat :
Reem al Masri koa mizara ity fomba fijery ity :
@reemalmasri: Teeeeeena MIREHAHREHA manana ny “Rehefa Nitsiky i Monaliza” hitondràna ny famokarana sarimihetsika ho amin'ny #JO amin'ny dingana hafa. Tsy andry ny hahita azy io any amin'ny efitrano fandefasana sarimihetsika.
Mba hahalalanao misimisy kokoa momba ilay sarimihetsika dia azonao atao ny manaraka ny vaovao mikasika azy ao amin'ny Facebook na Twitter ary eto ny fampilendalendana mba ho andran-tsira amin'izay azon'ilay sarimihetsika atolotra :