Ejypta: “Tsy Ny Vahoakan'i Sinai Rehetra No Mpampihorohoro”

Nisy ny lahatsoratra momba an'i Sinai androany taoriana ny ady notarihan'ny Tafika Ejyptiana tamin'ireo mpikatroka voarohirohy ho tao ambadiky ny fanafihana namoizana ain'olona tao amin'ny sisintanin'i Ejyptiana-Israelita, manampahefana 16 sy miaramila Ejypsiana maro no namoy ny ainy tamin'izany nandritra ny herinandro.

Araka ny filazan'ny manampahefana Ejypsiana, miaramila 20 no namoy ny ainy androany teo am-perinasa. Nitantara momba ny zava-nitranga tao amin'ny bilaoginy ilay bilaogera Zeinobia.

Tao Avaratry Sinai, nampiasa Twitter i Ahmed Elghoul mba hitantara amintsika bebe kokoa momba ny faritra sy ny mponina ao aminy; ary koa ny fanavakavahana mihatra amin'izy ireo sy ny tsy fisian'ny fandriampahalemana ao amin'ny faritra.

Fanavakavahana:

Hoy izy nisioka:

أغلبنا كان بيتهان في الأكمنة لمجرد إنه بيحمل بطاقة رقم قومي من شمال سيناء.. تهميش وتجاهل وتخوين، والإعلام مبينقلش عننا غير المشاكل
@A_ElghouL: Maro tamintsika no narabirabiana noho ny fitondrana karapanondro izay milaza fa avy ao Avaratry Sinai isika. Nampijaliana isika, natao tsinotsinona, ary nosokajiana ho toy ny andevo. Tsy mba mitantara momba antsika ny fampahalalam-baovao satria toy ny mampisy olana izany

Elghoul nampahatsiahy antsika ny fanavakavahana mahazo ny mponina ao Sinai:

تعرفوا أن أبناء سيناء محظور قبولهم بالكليات العسكرية؟! .. تخوين
@A_ElghouL: Fantatrao ve fa voarara tsy mahazo miditra ho mpianatra ao amin'ny oniversiten'ny miaramila ireo lehilahy avy ao Sinai?! Mampalahelo

Tonelina:

Ao amin'ireo tonelina ao amin'nysisintanin'ny Palestiniana, Elghoul nanazava hoe:

محدش يفتكر إن الأنفاق عاملة أزمة للدولة ، دي فاتحة بيوت مسئولين كتير في الدولة..ناس كتير مكانتش لاقية تاكل في خلال شهور بقوا أصحاب ملايين

@A_ElghouL: Tokony hieritreritra isika rehetra fa niteraka olana ho an'ny fanjakana ny fisian'ireo tonelina. Loharanom-bola ho an'ny manam-pahefana marobe ny fisian'ireo tonelina ireo. Taloha, vahoaka marobe, tsy mahita vola hividianana sakafo no nahazo vola an-tapitrisany tao anatin'ny volana vitsy monja

Hoy izy nanamarika:

الأنفاق دي من يوم ما فتحت والحال عندنا من أسوأ إلى أسوأ..يعني إيه أفارقة تتهرب وسلاح ييجي من ليبيا ويعدي على أكمنة مصر كلها لحد ما يوصل هنا؟

@A_ElghouL: Miharatsy hatrany hatrany ny toe-javatra mahazo antsika hatramin'izay nanokafana ireo tonelina ireo. Ho an'ny Afrikanina, inona ny dikan'izany  hoe jiolahin-tsambo na tafika avy any Libya no  miampita ao Ejipta mba ahatongavany eto?

Fiarovana:

Mikasika ny fandriampahalemana ao Sinai, nilaza toy izao i Elghoul:

الوضع الأمني عندنا في سيناء يتلخص في كلمتين : اللي حضر العفريت هيعرف يصرفه .. بس لو عايز يصرفه

@A_ElghouL: Afaka fehezina anaty teny fohy ny momba ny fandriampahalemana ao Sinai: Ireo izay milaza fa tena dadany “génie”  no mahalala ny fomba hialàna amin'izany.

Nanome ohatra izy:

تعرفوا إن محافظنا طلع يقول لوسائل الإعلام الأمن مستتب ومستقر في شمال سيناء ، تاني يوم عربيته إتسرقت ودفع فلوس عشان يرجعها

@A_ElghouL: Fantatra ve hoe oviana ny governora-ntsika no nilaza tamin'ny mpanao gazety fa mari-toerana tsara ny fandriampahalemana ao Avaratry Sinai, nisy nangalatra anefa ny fiarany ny ampitson'iny ary voatery nandoa vola indray izy mba hanoloany izany

Elghoul nanazava hoe:

تجارة السلاح والمخدرات مشكله موجودة ومبننكرهاش، بس اللي سمح بكده إهمال الأمن لمناطق كتيرة ف سيناء..منها جبل الحلال اللي الضرب عليه دلوقتي
@A_ElghouL: Olana misy sy tsy azo lavina ny fiparitahan'ny fitaovam-piadiana sy ny zava-mahadomelina. Ny tsy fisian'ny fandraisana vahaolana sy andraikitra no mahatonga izao eny amin'ny faritra maro ao Sinai, anisan'izany ny tendrimbohitry Al Halal, izay tratran'ny tsy fandriampahalemana koa ankehitriny

Hevi-diso:

Gaga noho ny hevi-diso eritreretin'ny olona momba ny mponina ao Sinai i Elghoul. Hoy izy ni-tweet:

تعرفوا إن إحنا ف ٢٠١٢ ولسه في غبي فاكر إننا بنسافر بجمل وإننا ناس جهلاء ومش متعلمين ؟
@A_ElghouL: Tokony ho fantatrao fa taona 2012 isika izao ary mbola misy ireo olona adala any ivelany mihevitra fa mampiasa rameva isika rehefa mandeha lavitra ary mihevitra ihany koa fa olona vendrana sy tsy nahita-fianarana isika?

Nampiany hoe:

تعرفوا إن سيناء في نظر الناس بدو وخيم وجمال ، مع إن في ناس بتركب عربيات وبتلبس من جاك آند جونس وزارا..آه والله
@A_ElghouL: Fantatrao ve fa heverin'ny olona fa Bedoina “Bedouins” , trano lay ary rameva i Sinai, na dia efa hita izao aza fa mitondra fiara ny mponina ary miakanjo Jack sy Jones ary Zara ..

Notohizany hoe:

كل اللي الناس تعرفوا عننا..سلاح،مخدرات،أنفاق،تفجيرات..تعرف حاجه غير كده؟ ،لأ..فكرت تنزل بنفسك تشوف الحقيقة؟،برضو لأ..شوفت قد إيه ظلمتنا
@A_ElghouL: Fantatr'ireo olona ireo amin'ny fitaovam-piadiana, zava-mahadomelina, tonelina, ary fipoahana i Sinai …Mahafantatra zavatra hafa ve izy ireo? Tsia. Efa mba nieritreritra ny hitsidika ny faritra ve ianao mba hahitanao ny marina? Tsia ihany koa. Hitanao ve fa tsy rariny ny lainga eritreretinao sy lazainao?

Nampiany hoe:

البدو في سيناء منهم دكاترة جامعات وكتاب وشعراء وشخصيات محترمة كتير ، في وحش منهم؟،آه كتير .. ده مبرر إني أظلم البدو كلهم؟!

A_ElghouL
: Anisan'ny Bedoina ao Sinai ny mpampianatry ny oniversite, mpanoratra, poety ary  ireo olona manan-kaja marobe. Misy olona tena ratsy ve amin'izy ireo? Eny. Maro. Saingy tsy antony tokony hiheverana fa ratsy avokoa ny Bedoina rehetra ?

Fisalasalana:

ElGhoul, nilaza fa tsy mpanao gazety izy fa olo-tsotra avy ao Sinai izay “nandre ny zava-misy tamin'ny alalan'ny tsaho sy ny resaka mandeha” ary te hahita ny marina, nankany amin'ny hopitaly ao Sinai izy mba hiandry ny fahatogavan'ny nofo mangatsiakan'ireo miaramila 20 voalaza fa namoy ny ainy.

Ni-tweet izy hoe:

أقولكواعلى حاجةبيني وبينكوا:شوفتوا فيديو لجثث؟شفتوا معتقلين؟إتأكدتوا إن هما الفاعلين؟إيه رأيك في التضخيم الإعلامي


@A_ElghouL:
 Tokony hilaza zavatra eo amiko sy aminao ve aho? Efa nahita lahatsary misy ny nofo mangatsiakan'ireo miaramila ve ianao? Efa nahita gadra ve ianao? Mino ve ianao fa izy ireo no anton'izao? Ahoana ny hevitrao amin'ny fanitarana ny zava-misy tantarain'ny fampahalalam-baovao?

ElGhoul nilaza  ihany koa fa efa hatramin'ny 8.30 maraina izy no tonga tao amin'ny hopitaly, miandry ny fahatongavan'ny nofo mangatsiakan'ireo miaramila nefa mbola tsy nahita foana hatramin'izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.