Nirotsaka nampiasa ny Twitter i Ahmed Shafik, Praiminisitra Ejiptiana teo aloha mba hanehoany hevitra momba izay heveriny ho ‘tsaho’ mikasika ny fanendrena azy ho mpanolotsain'ny Filohan'ny Emira Arabo Mitambatra.
Maro ireo mpikirakira aterineto no nibitsika sy namerina nandefa ny bitsika momba ilay tantara vaovao nilaza ny fanendrena an'i Shafik. Shafik, izay Praiminisitry ny Filoha Ejiptiana teo aloha Hosni Mubarak, dia niasa teo anelanelan'ny 31 Janoary 2011, sy 3 Martsa 2011, tena tao anatin'ny Revolisiona Ejiptiana mihitsy. Efa isan'ny mpifaninana ho filoha Ejiptiana ihany koa izy teo aloha.
Tao amin'ny Twitter, novalian'i Shafik ireo tsaho milaza hoe [ar]:
Hatreto dia naverina nalefa im-1.360 ny bitsika nalefany.

Dika mitovin'ny bitsik'i Ahmed Shafik, nandàvany ireo tsaho milaza azy ho voatendry ho mpanolotsain'ny Filohan'ny Emira Arabo Mitambatra.
Ilay Ejiptiana mpanao gazety, Reem Abdellatif, no nandray voalohany tamim-pisalasalàna ny vaovao momba ny fanendrena an'i Shafik:
@Reem_Adellatif: Araka an'i #Shorouk, ilay mpirotsaka ho filoha #Egyptian teo aloha Ahmed #Shafik dia voatendry ho mpanolotsaina ny filohan'ny Emira Arabo Mitambatra. Dia mety hisy ve izany?
Mohamed Diyaa mivazivazy hoe:
@MohamedDiyaa: Mpanolotsaina hanafoana ny hetsi-panoherana mety hisy any #UAE i Ahmed Shafik
Ary ilay mpanao gazety monina ao Cairo, Bel Trew, miteny hoe :
@Beltrew: Mampahatsiahy ahy amin'ny fomba iray ny [Praiminisitra Britanika teo aloha Tony] Blair ho toy ny iraky ny fandriampahalemana tany Afovoany Atsinanana MT @Omniaaldesoukie: Shorouk: Ahmed #shafik voatendry ho mpanolotsain'ny filohan'ny UAE
Avy ao Qatar, Esraa Al Meftah no maneho hevitra laroina eso :
Niparitaka nivezivezy be ilay vaovao omaly nilaza ny fialàna an-daharan’ ny Praiminisitra Siriana teo aloha, Riad Farid Hijab, nahatonga ny tsikeran'i Al Meftah hoe mety hitady asa any amin'ireo firenena manan-karena solika izy.