Ejipta: Mankalaza An'i Curiosity Sy Ilay Lehilahin'i Mars – Dr Essam Heggy

Mankalaza ny asa sy ny fiainan'i Dr Essam Mohamed Heggy, izay mpikaroka ao amin'ny NASA ihany koa, manampahaizana momba ny siansan'ny planeta ary isan'ireo ao anatin'ny tarika siantifika nirotsaka amin'ny fikarohana momba ny fiainana eny amin'ny planeta Mars ireo Ejiptiana manaraka manaraka ny dian'ny Mars Curiosity rover.

Vao maraina androany dia nanaraka ny fipetrahana manan-tantaran'i Curiosity teny amin'ny Mars ny olona manerana izao tontolo izao.

Ao amin'ny Twitter, miteny amintsika i The Big Pharaoh hoe:

عصام حجي، احد علماء ناسا و شارك في رحلة كيريوسيتي، تم فصله من جامعة القاهرة و لم يتم قبوله في الجيش المصري. خلص الكلام. ‎‪#MarsCuriosity
@TheBigPharaoh: Iray amin'ireo siantifika ao amin'ny NASA i Essam Heggy ary tafiditra ao anatin'ny dia lavitr'ezak'i Curiosity. Voaroaka tao amin'ny Anjerimanontolon'i Cairo izy ary tsy nekena hiditra tao amin'ny taifka Ejiptiana. Mifarana ny tantara.

Ary tohizany :

عصام حجي، احد علماء ناسا الذين شاركوا في رحلة كيريوسيتي للمريخ، لم يتم قبوله في الجيش المصري عشان بيتهته في الكلام. عسكر اغبياء.
@TheBigPharoah: Iray amin'ireo siantifikan'ny NASA tafiditra amin'ny dia lavitr'ezak'i Curiosity eny amin'ny Mars  i Essam Heggy. Nolavin'ny tafika Ejiptiana izy noho ny fiambakavakany miteny. Tafika kaondrana!
The Curiosity Rover casts a shadow in Mars' Gale crater while landing. Picture uploaded by NASA's Curiosity Mars Rover facebook page.

Ny Curiosity Rover mamela ny dindony eo amin'ny lavaka be ‘Gale’ eny amin'i  Mars teo am-pidinana hipetraka. Sary nakarin'ny pejy Facebook-n'ny Curiosity Mars Rover, an'ny NASA.

Hassan Yahya manampy hoe :

عصام حجي أحد العلماء المصريين في ناسا و بيدرس وجود الماء على الكواكب الأخرى .. إتفصل من كلية علوم في مصر عشان مرجعش من أجازته في ميعاده!
@HassanYahya: Iray amin'ireo Ejiptiana siantifika miasa ho an'ny NASA i Essam Heggy ary mampianatra momba ny fisian'ny rano eny amin'ireo planeta hafa. Voaroaka tany amin'ny kolejy iray mampianatra ny siansa tao Ejipta izy noho ny tsy niverenany ara-potoana avy any am-pialana sasatra

Prophetess Lana manamarika hoe :

#عصام_حجي‬‏ يلقب بـ “رجل المريخ” وهو لم يتجاوز ال٣٦.من ذكرياته: رفض ابو حبيبته تزويجه لآنه مجرد معيد في كلية الفلك راتبه ٣٠٠ ج ومالوش مستقبل.
@prophetess_lana: i Essam Heggy no antsoina hoe “Ilay Lehilahin'i Mars.” Tsy mbola misy 36 taona akory izy ary mahatsiahy : ny dadan'ny sipany nandà tsy namela azy ireo hivady satria zara raha-mpampianatra teny amin'ny Kolejy momba ny Astronomia izay tsy nandray karama afa-tsy 300 livres  ary tsy manana hoavy.

Mandritra izany, Amr Khairy manararaotra ilay fotoana mba hivazivaziana mikasika ny fanendrena ny  Firahalahiana Silamo ho ao anaty governemanta ary ny fivandravandran'ny fomba fanehoana ny marika ara-pivavahana ho mavesa-danja miohatra amin'ny fampiroboroboana ny siansa sy ny fahalàlana. Mibitsika izy :

العالم المصري عصام حجي يبحث عن الماء على كوكب المريخ، وهشام قنديل وزير الري السابق يجهز الحجرة المجاورة لمكتبه في رئاسة الوزراء لتصبح مسجدا.
@Amr Khairy: Mitety mitady rano eny amin'ny Mars ilay Ejiptiana mpahay siansa Essam Heggy. Ary i Hisham Qindeel, Minisitry ny Fampidiran-drano teo aloha, mandamina ny efitrano mifanila amin'ny biraony ao amin'ny biraon'ny Praiministra mba havadika ho maoske fivavahana.

Ny Curiosity no andrana farany nataon'ny NASA handehanana any amin'izay faritra tsy mbola nalehan'ny olona tany alohabe tany. Talohan'io iraka io, Etazonia, Rosia, Japana ary Eoropa dia samy efa nandefa sambon-danitra eo amin'ny 40 eo ho eny amin'i Mars. Nandamoaka ny enina ambiroapolo tamin'ireo. Mandritra ny 23 volana aorian'ny nipetrahana, hanao ‘analyse’ karazam-bato am-polony i Curiosity hamantarana raha mety ho zakan'i Mars ny fiainan-janak'olombelona eny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.