Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ejipta: Maizina Ao Kairo

Hafa kely ny lohataona ao Ejipta tamin’ity. Iharan’ny fahatapahan-jiro sy rano miverimberina isan’andro ireo distrika samihafa tao anatin’izay volana vitsy izay. Ary amin’izany, mbola tsy nisy ny fanambarana mazava avy amin’ny manampahefana, fantatry ny olona ihany anefa hoe noho ny fampihenana ny  vesatry ny milina mpamokatra herinaratra no anton’ny  fahatapahan’ny herinaratra miverimberina.

Na dia izany aza, hafakely ny androany [8 Aogositra 2012]. Maro tamin’ireo mponina ao Kairo no niharan’ny fahatapan-jiro vao maraina, na tany an-trano izany na tany amin’ny birao, ary tratran’izany ihany koa ary ny metro ambanin’ny tany sy ny tsenam-bola [Bourse] Ejipsiana

Mado nitantara ny nahazo azy:

@mado_1 النور قطع عليا في المترو ونزلت سعد زغلول ومن سعد زغلول مشيت للتحرير علشان اخد الخط التاني لقيته برضوا مش شغال.

Tapaka ny herinaratra raha tao anaty metro. Niala tao amin’ny fiantsonana Saad Zaghloul aho, ary teo aho no nandeha tongotra ho an’ny amin’ny kianja Tahrir mba handray metro hafa indray, saingy mbola tsy nandeha ihany koa ilay metro tao.

Hoy izy nanohy:

@mado_1 ركبت من التحرير لشغلي ولما وصلت الشغل لقيت النور قاطع وفضل قاطع لمدة ساعتين ونص ويا دوب لسة راجع

Nandray fiara hafa tao Tahrir aho handeha hamonjy ny asako, ka vao tonga tao am-piasana aho dia mbola tsy mandeha ihany ny herinaratra. Tapaka nandritra ny roa ora izany ary avy eo niverina ihany.

Mostafa Al Naggar, mpikambana teo aloha tao amin’ny antenimiera nilaza hoe:

@alnagar80
قطع الكهرباء عن المترو جريمة قتل عمد ينبغى محاكمة المسئول عنها ، لن يحتمل الشعب مزيدا من العبث والاهمال والعجز بسبب الفشلة العاجزين

Zava-doza mahafaty ny fahatapan’ny herinaratra any anaty metro. Tokony hoentina hotsaraina eny amin'ny fitsarana ireo tompon'andraikitra mahavanon-doza tahaka izany. Tsy handefitra amin'ny tandrevaka, ny fangalarana sy ny fahatapahan-jiro tahaka izany intsony ny vahoaka.

Maged Abedo nanontany hoe:

@mAbidou
إزاى مترو الأنفاق ما يكونش فيه مولدات إحتياطية وسيتي ستارز فيه، عجبى

Fa nahoana no tsy misy fitaovana mampandeha herinaratra ao anaty metro, kanefa ao an-tanàna City Stars (tranom-barotra malaza  ao Kairo) ahitana izany ?

Hany Hathout nitaraina hoe:

@HHathout: Maizina. Tsy misy herinaratra manerana ny tanàna.

Nanontany ilay mpanao gazety, Sarah Carr:

@Sarahcarr: Niely sy matetika toy izao ve ny fahatapahan-jiro tao Kairo tamin'ny lohataona lasa?

Hoy koa i  Amr Hassan nanamarika:

@superamr: Miposaka tsara ny masoandro. Tsy misy ny herinaratra. #Cairo

Saingy nilaza kosa ny mponina iray fa mitondra filaminana  ao Kairo ny fahatapahan'ny herinaratra. Hoy i Patricia Stein naneho hevitra:

@PsteinND: Mangina ao #Kairo amin'ny fotoana fahatapahan-jiro…mangina mahafinaritra. Mangataka aho mba atao lavalava ny fahatapahana. Mitondra ny olona hifantoka amin'ny zava-misy izany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.