Rosia : Ny Fitroaran'ireo “Hamsters”-n'ny Aterineto

Ny ampitson'ny androm-pifidianana, ireo Rosiana dia nivondrona mba hikomy ho fanoherana ny hosoka tamin'ny fifidianana. Na dia ho very seza 77 aza ny Antoko Rosia Mitambatra (United Russia) oharina amin'ny Duma teo aloha, araka ny vokatra vonjimaika, ny ankamaroan'ireo mpikomy dia mihevitra ilay fifidianana ho sady tsy madio, no tsy malalaka (jereo ny tatitray teo aloha mikasika ny famoretana vohikala sy ny tatitra momba ny  fanitsakitsahana ataon'ireo vohikala).

Taorian'ny fikatonan'ny tranom-pifidianana ny 4 Desambra, ny hetsika Solidarnost dia nanasa ireo mpanao hetsi-panoherana ho any amin'ny fiantsonan'ny fiarandalamby ambanin'ny tany ao Chistye Prudy, Mosko, raha toa ireo kaomionista, tsy faly ihany koa tamin'ny valim-pifidianana, nikarakara famoriam-bahoaka tao amin'ny kianja Pushkinskaya. Ireo solontenan'ny hetsika Solidarnost, izay ny ankamaroany dia tsy manana kianja ara-politika afa-tsy ireo hetsika an-dalàmbe  sy ny eny amin'ny tontolon'ny bilaogy, dia nahavita namory olona an'arivony maro (raha toa ny tombana ka niovaova hatrany, ny vinavina azo raisina dia teo amin'ny olona 8.000 ka hatramin'ny 10.000 teo ho eo).

Chistye Prudy
Nanomboka nivondrona ho amin'ny hetsika Solidarnost tamin'ny 7:00 hariva MSK ny olona.  Georgiy Alburov dia nampakatra ny sarin'ilay filaharana tao amin'ny vohikalan'ilay famoriam-bahoaka:

Line to the Chistye Prudy rally. Photo by Georgiy Alburov

Filaharana ho an'ny famoriam-bahoaka tao Chistye Prudy. Sary avy amin'iGeorgiy Alburov

Ilay mpanao gazety britanika,  Shaun Walker, dia nibitsika hoe [ru]:

Olona an'arivony tanatin'ny hatsiaka/orana no nihiaka fifidianana malalaka, ary Putin halefa any am-pigadràna. Tsy mbola nahita zavatra teo amin'izao haavo izao. Fiovan'ny rivotra iainana tanteraka

Nisavoritaka ny fandrakofana amin'ny ankapobeny satria ny Aterineto finday dia tsy nandeha intsony tao amin'ny faritra ary tsy afaka mampakatra lahatsary sy sary intsony ny olona. LiveJournal dia nitahiry ny fitrangan-javatra rehetra ato [ru].

Ny alina ihany vao afaka mampakatra lahatsary[ru] avy amin'ilay famoriam-bahoaka ny olona ary indrindra koa ny lahateny [ru] nataon'i Alexey Navalny, izay isan'ireo politisiana malaza indrindra tamin'ilay hetsika. Ny lahateniny no mety ho mamaritra ny votoatin'ny zava-mitranga amin'izao fotoana izao :

Alexey Navalny dia nihika hoe :

“Manana ny feontsika isika. Misy isika. Moa misy isika ?”

Namaly ireo olona hoe : “Eny!!”
Ary avy eo : “Niantso anay izy ireo hoe bilaogera kely na “hamsters”-n'ny aterineto. “Hamsters”-n'ny aterineto aho! Ary ho kaikeriko [ny lohan'ireo tsy misy saina ireo .] Ho ataontsika miaraka izany! Satria misy isika! […] Tsy hanadino isika, tsy hamela heloka izany isika”

Ilay fanoharana amin'ny hamsters”-n'ny aterineto  (teny fanivaivàna ho an'ireo mpamakafaka ara-politika anaty aterineto) sy ny fahavononana ara-politikan'izy ireo hitondra fanovàna eto amin'ny firenena dia nanimba ny anganon'ny (slaktivist) natiora malemilemin'ny firotsahana ara-politika ety amin'ny aterineto. Navalny dia nanindry manokana ny ‘fanadinoana/famelan-keloka’ mba hanehoana fa ny mponina anaty aterineto dia tsy voatery hànana ilay fifantohan-tsaina fohy matetika ahafantarana azy ireo.

Tao amin'ny Lubyanka

Taorian'ny lahateny maro nataon'ireo politisiana avy amin'ny mpanohitra, dia nifindra tany amin'ny kianja Loubianka ireo vahoaka, toerana izay misy ny birao foiben'ny Sampan'asan'ny Fiarovana Federaly. Ilay lahatsary [ru] nakarinà mpampiasa bigvane no mampiseho ireo Moskovita nifindra nankany Loubianka ary nihiakiaka ny  hoe “Fifidianana malalaka” :

Ny ankamaroan'ireo mafana fo, na izany aza, dia voasakana teny an-dàlana. Ilya Barabanov dia nandefa bitsika sarinà lalana voabahana :

Blocked road. Photo by Ilya Barabanov

Lalana voabahana. Sary avy amin'i Ilya Barabanov

Roampolo minitra taorian'ny nangalàna ity sary manaraka ity, Alexey Navalny dia voasambotry ny polisy . Ilya Barabanov dia nosamborina, telo minitra taorian'i Navalny. (Jereo ity tatitra an-tsary tsara tarehy ity, fanadihadiana nataon'ny solontenan'ny ridus.ru ato [ru].)

Kanefa tsy naharava ny fahazotoan'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny faharisihan'izy ireo na dia ilay fisamborana aza. Navalny, raha izy nipetraka tanaty fiaran'ny polisy niaraka taminà mafana fo hafa iny, dia nizara sary “instagram ” an'ireo mpanao hetsi-panoherana  falifaly voasambotra :

'I'm sitting in a police bus with all the guys. They all say hi.' Photo by Alexey Navalny

"Mipetraka ato anaty fiaran'ny polisy miaraka amin'ireo akama rehetra aho, Hoy izy rehetra hoe: hi' Sary avy amin'i Alexey Navalny

 

Lahatsary hafa,  izay nalaina avy tao anatinà fiaran'ny polisy, dia mampiseho ireo mpanao hetsi-panoherana miresaka ny momba ny karaman'ireo polisy, no sady mikakakaka mihomehy.

Ny revolisionan'ny Hamster

Ny ampahany mahaliana indrindra tamin'ilay hetsi-panoherana talohan'ny fifidianana dia tsy ilay filaminany (izay zava-dehibe ihany koa raha oharina amin'ny fitokonana tamin-kerisetra nataon'ireo nasionalista), fa kosa ny demografia vaovaony. Mpampita vaovao avy eny an-kianja an'ny Tvrain.ru no nilaza fa ireo vahoaka dia ahitàna indrindra ny  “intelligentsia, mpanara-damaody, ary tanora.” “Tena famoriam-bahoaka iray manara-damaody tokoa ilay izy”, hoy ny nambaran'ilay mpanao tatitra. Avy eo, niampy an'ireto fanamarihana ireto : ny taonan'ireo mpanao fihetsiketsehana dia eo anelanelan'ny 16 ka hatramin'ny 33 taona ary ho an'ny maro amin'ireo voasambotra dia ity no niainany voalohany izany fidinana teny an-dalambe izany . Tahaka izay ibitsihan'i Vera Kichanova hoe:

Леша Никитин пишет, что он единственный из 16 человек в автозаке, кого задерживали раньше. Остальные вышли на митинг впервые!

Lyosha Nikitin dia manoratra fa tao anatin'ireo 16 notanan'ny polisy dia izy irery no olona no voasambotra toy izao taloha. Ny sasany dia vao izao mihitsy no nandray anjara taminà fitokonana !

***

Mandritra izany, levada.ru, ilay vohikalan'ny Foibe Levada mpanao fitsapan-kevitra sady fikambanana fanaovana fikarohana ara-sosialy, dia voatafiky ny DDoS [ru] ary ireo zavatra raiketin'ny epic-hero.ru dia  nesorin'ireo [ru] mpampiantrano azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.