Tonga alina (12/10/2014) teto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana. Amin'izao ora anoratana izao (13/10/2014 9:54) dia eo ampiomanana handray sy hiresaka amin'ireo mpanao gazety marobe tonga eny amin'ny fonenany eny Faravohitra izy sy ireo mpomba azy. Maro koa ireo olon-tsotra mpanara-dia no tonga eny an-toerana.
Maro ireo karazan'olona tonga manatona eny sy raisiny, toy ireo ray aman-dreny avy amin'ny tanàna niaviany Imerinkasinina, ireo mpitari-pivavahana, sns…
1 hevitra
Mankasitraka amin’ny fitantarana fa tena tany amin’ny toerana tsy nahafahana nampita vaovao an-tserasera mihitsy ny tena omaly 13 oktobra 2014.