Afaka Ho Raràna Tsy Hividy Toaka Ve Ireo Vehivavy Ao Myanmar?

A beer station in Hpa-An, Myanmar. Image under Creative Commons by Flickr user Axelrd

Toeram-panamboarana labiera any Hpa-An, Myanmar. Sary ampiasàna ny lisansa Creative Commons, nalain'ny mpampiasa Flickr: Axelrd

Araka ny tatitra dia iadian'ireo manampahefana ao Myanmar hevitra ny amin'ny hampidirana ireo faritra ao Yangon sy Mandalay — tanàna lehibe indrindra ao amin'ny firenena — ka mety handraràna ny vehivavy any tsy hahazo mividy toaka. Na dia miteny aza ny antotan'isan'ny Fikambanana na Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana tamin'ny 2009, fa ny fisotroana toaka ao Myanmar no ambany indrindra any amin'ny faritra Atsimo-Atsinanan'i Azia, 1,5 isan-jaton'ireo vehivavy ary 31 isan-jaton'ireo lehilahy ihany no misotro, maro no miresaka fa manomboka miova izany ankehitriny.

Nanoratra momba ilay fironana ny blaogera iray, Aung Htin Kyaw:

Satria mamoha ny varavarany ho an'ny tontolo ivelany i Birmania, dia sahàla amin'ny miha-very ny fomba amam-panao sosialy. Ohatra amin'izany, any amin'ireo mediam-bahoaka, nahatsikaritra ny firoboroboan'ireo tanora Birmana aho (mazàna manodidina ny taonako na mbola zandriko), na izany  namana, na ireo havana ihany koa, misotro toaka eny amin'ireo toerana natao ho an'ny vahoaka tsotra izao fotsiny.

Beer advertising in Yangon, Myanmar. Image licenced under Creative Commons by Flickr user markku_a

Dokam-barotra ho an'ny labiera ao Yangon, Myanmar. Sary ampiasàna ny lisansa Creative Commons, nalain'ny mpampiasa Flickr: markku_a

Ao amin'izay voasoratr‘i Aung Htin Kyaw, niaiky i Wagaung hoe:

Mamporisika izany ny fiarahamonina mpanjifa– indrindra fa ilay fanjifàna ventiventesina tafahoatra ao amin'ny Facebook — ka lasa manomboka mahita vehivavy Birmana, tanora na tsia ianao, miaraka amin'ny vera misy divay eny an-tànany, mila ho toy ny  mari-pamantarana ny sata ara-piarahamoniny na fomba iray anarahany lamaody.

Hatreto aloha, gazety iray amin'ny teny Birmana ihany no nitatitra ireo tolo-kevitra natao mba handraràna ireo vehivavy tsy hisotro any amin'ny toerana sasany. Manamarika ilay blaogera, MadyJune, fa nitanila n y fomba nanolorana ilay olana:

Na dia talohan'ny nivoahan'io vaovao io aza, efa nanao lasibatra ireo vehivavy mpisotro ny media tao an-toerana, tamin'ny fampiasàna ny sarin'ireo vehivavy nipetraka tany amin'ireo toerana famokarana labiera tany anaty lahatsoratra momba ny fiakaran'ny fanjifàna alikaola ao amin'ny firenena.

Tsy manohana ny taoka aho. Raha ny marina, tsy tia toaka aho ary tsy mahazaka ny fofony, fa tsy rariny ny  hoe ferana fotsiny ny fisotroan'ireo vehivavy ny taoka satria hoe vehivavy isika. Mino aho fa manana safidy isika na hisotro na tsia, ary tsy misy manana zo ny handidy antsika.

Araka ny Ligin'ireo Vehivavy ao Birmania, mitohy ny fibahànan'ireo lehilahy amin'ny endriny maro ny fiarahamonina Birmana. Nandahatra ny ao Myanmar ho any amin'ny faha-44 amin'ireo firenena 102 tsy ao anatin'ny OCDE ny Tondron'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy any anaty fitantanan-draharaha Sosialy sy ny Fitoviana Lenta tamin'ny 2012 — toerana mitovitovy amin'ny misy an'i Guinée-Bissau sy Vietinama.

Na dia eo aza ny tsy fanekeny ilay fandraràna, mino i MadyJune fa vitsy ireo vehivavy mety hiandany amin'ny fomba fijeriny:

Isalasalàko ny hoe ny vehivavy mponina rehetra ao Myanmar no ho sorena amin'io fandraràna tsy an-drariny io. Ny marina,  ny sasany amin-dry zareo (na ny ankabeazany) no mety hanohana azy io.

Any anaty lahatsoratra hafa, manazava i Aung Htin Kyaw fa singa ilaina be ho an'ny kolontsaina Bodista Theravada ny faharetana tsy misotro toaka,  izay mitàna ny heviny fa mahatonga ny olona hanana fitondrantena mampidi-doza ireo olombelona hafa ny toaka.

Tsy mazava ireo antony mandrisika ho amin'ny famerahana fandraràna manokana ireo vehivavy, miaraka amin'ilay fikarohana miteny fa misotro betsaka tsotra izao noho ireo vehivavy ireo lehilahy ao Myanmar. Mandritra izany, mijanona ho tsy hay ilay hiafaràn'ireo faritra natolotra: na  dia nanambara aza ny ministry ny fahasalamana fa mieritreritra ny fameperana ny fisotroana toaka ho amin'ny volana Jolay 2014 izy, tatitra vao haingana no miteny fa maro ny mpikambana ao amin'ny parlemanta  no mahita fa tsy laharam-pahamehana ny fanavaozana ireo lalàna momba ny alikaola.

Mampiharihary ireo olana momba ny fitomboan'ny tsindrin'ny kolontsaina Tandrefana any amin'ireo tanàna lehibe ao Myanmar ireo adihevitra momba ny fahazarana misotro. Na toa aza tsy nampidirina tao Yangon sy Mandalay aza ireo faritra, ny fanolorana hevitra fotsiny fa tokony hisy lalàna iray ho an'ireo lehilahy ary hafa ho an'ireo vehivavy dia mampiseho fa manomboka lasa lohahevitra iadian-kevitra tsy mitsahatra ny fitoviana lenta ao anatin'ny fiarahamonina mivoatra ao Myanmar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.