Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Marsa, 2015
‘Hano Ny ***Ako Ry Mp***Reny!': Niteraka Resabe Tao Tajikistan Ilay Mpanolotsaina Voafidy Vao Haingana
Raha ompa na teny ratsy no voambolana mba hainao amin'ny fiteny hafa, tsara raha tsy miloa-bava mihitsy.
Bilaogera Ao Singapore Nitsikera Ny Lalàna Momba Ny Firaisana Ara-nofon'ny Pelaka, Nasaina Nandoa Lamandy Fa ‘Nanala-baraka Ny Fitsarana ’
"Ny fanenjehana an'i Alex Au noho ny nanandratany feo dia ohatra iray monja amin'ireo fanirian'i Singapore hampiasa amin'ny tsy tokony ho zy ny lalàna mba hanampenam-bava ireo mpanakiana azy."
Mianatra Ao Amin'ilay Anjerimanontolo Niarahaban'ny Lefitry ny Zokiolona Ny Famonoana Nanjo Azy Ny Zanak'i Nemtsov
Namoizan'ny lefitry ny zokiolona ny asany tao amin'ny Ivontoerana momba ny Fizika sy ny Teknolojia ao Maosko ny fanehoankevitra veta nataony tao amin'ny VKontakte momba ny famonoana an'i Boris Nemtsov.
Tsy Voasazy Ny Fanitsakitsahana Ny Lalàna Momba Ny Bilaogera Ao Rosia
Hatramin'ny nampanan-kery tao Rosia ilay 'lalàna ratsy laza momba ny bilaogera', fito volana lasa izao, 67 no fanitskitsahana azy voarakitry ny Roscomnadzor, saingy tsy iray monja ny bilaogera voasazy noho ny fanafintohinana na fahadisoana ara-pinoana.