· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jona, 2011

Tonizia: Mpiasam-panjakana Ambony Nosamborina fa Nanakiana ny Ministeran'ny Atitany

Samir Feriani, mpiasam-panjakana ambony tao amin'ny Ministeran'ny Atitany, dia nosamborin'ny polisy tsy an-kitsitsy mihitsy no sady nentina tany amin'ny toby miaramila iray tao Tunis renivohitra ny 29 May teo. Andro maro talohan'io, namoaka taratasy roa tao amin'ny gazetiboky “Al-Khabeer” ho an'ny vahoaka Toniziana, ka tao anatin'izany no nanakianany ny politika fandraisana mpiasa ao amin'ny ministera.

Syria: Fahatapahan'ny Aterineto?

Mirongatra ao amin'ny Twitter ny filazana fa mety misy fahatapahana ankapobeny ny aterineto manerana an'i Syria androany (Zoma). Manohy ny fihetsiketsehana hatrany ny Syriana manohitra ny fitondran'i Al Assad sy ny habibiana ataony amin'ny Syriana. Natao ny fihetsiketsehana Zoma hanamelohana ny fanafihana natao tamin'ireo zaza Syriana. Ny sasany milaza ny...

Ejipta: Manapaka ny Tsipika Mena; Mampiaka-peo Manohitra ny Tribonaly Miaramila

Volana vitsy lasa izay, ny fandehananao akaiky loatra ny Tranobe Fitsarana Miaramila ao amin'ny distrikan'i Nasr, ao Cairo, dia efa mety hitondra anao any am-ponja. Nefa ny 31 May teo, sehatra nanaovana fihetsiketsehana ho fanehoana firaisankina amin'ilay mpanolotra fandaharana ao amin'ny OnTv, Reem Maged, sy ilay mafàna fo amin'ny resaka sosialy sady bialogera Hossam El Hamalawy, ary ilay mpanao gazety Nabil Sharaf El Din ny teo amin'ny manodidina an'ilay faritra.