· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Avrily, 2011

Bahrain: Nosamborina i “Emoodz”, mpitoraka blaogy

Tamin'ny faha 30 Martsa 2011, dia nosamborina ilay mpitoraka blaogy teratany Bahraini Mohamed El-Maskati, fantatry ny olona bebe kokoa amin'ny anarana hoe "Emoodz" eo amin'ny tontolon'ny blaogy. Raha araka ny hevitry ny 'Reporters sans frontières', ny fisamborana an'i El-Maskati dia niseho taorian'ny fandrahonana tao amin'ny Twitter izay nataon'ny olona iray ao amin'ny fianakavian'ny mpanjaka, ary fantatra tsara amin'ny hoe @emoodz i El-Maskati ao.

Nanangana Fikambanana ( BAKE) ny Bilaogera Kenya.

  08 Avrily 2011

Tamin'ny Zoma 25  Martsa, Bilaogera Kenyana maromaro no nanao fivoriana tao an-drenivohitr'i Kenya Nairobi, noho ny fananganana fikambanana vaovao BAKE ( Bloggers Association KEnya) (Fikambanana Bilaogera Kenya). Fivoriana fahaefatra notontosain'ny bilaogera maintimolaly Kenyana  sasany io fivoriana io. Efa maro ny fitarainana natao, fiampangana ary ohatra koa ny fifamaliana tsotra  amin'ny teny miafina...

Syria: Tafaverina soa aman-tsara any an-tranony ny anankiroa, mbola tsy hita kosa i Khaled El Ghayesh

Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny fanoherana tany Syria 2011 ity . Tamin'ny herinandro lasa teo, ilay teratany amerikana ejipsiana Muhammad Radwan (fantatra amin'ny @battutta ao amin'ny Twitter) no nosamborina tany Syria satria nampangaina ho mpitsikilo sy nahazo fangatahana avy any ivelany handefa sary sy lahatsary momba an'i Syria. Tamin'ny 01 aprily, nilaza...