Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Bahrain: Nosamborina i “Emoodz”, mpitoraka blaogy

Ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny hetsi-panoheran'i Bahrain taona 2011 ity lahatsoratra ity.

Tamin'ny faha 30 Martsa 2011, dia nosamborina ilay mpitoraka blaogy teratany Bahraini  Mohamed El-Maskati, fantatry ny olona bebe kokoa amin'ny anarana hoe “Emoodz” eo amin'ny tontolon'ny blaogy. Raha araka ny hevitry ny ‘Reporters sans frontières’, ny fisamborana an'i El-Maskati dia niseho taorian'ny fandrahonana tao amin'ny Twitter izay nataon'ny olona iray ao amin'ny fianakavian'ny mpanjaka, ary fantatra tsara  amin'ny hoe @emoodz i El-Maskati ao.

Ao amin'ny Twitter, dia mangataka ny famotsorana an'i El-Maskati ny mponina Bahraini sy ny namany rehetra maneran-tany.

Muhammed El-Maskati's public Facebook profile photo.

Sarin'i Muhammed El-Maskati, mpikambana ao amin'ny Facebook.

Nandefa tweet tamin'ny alalan'ny rohy iray mankany amin'ny tatitry ny Reporters sans frontières amin'ny fiteny Arabo ny foibe miandraikitra ny zon'olombelona ao  Bahrain (@BahrainRights)  toy izao ny voalaza ao:

تدين مراسلون بلا حدود أيضاً حملة القمع الممارس ضد المدوّنين البحرينيين. http://ow.ly/4sSRt #freeemoodz @emoodz #bahrain
Manameloka ny famoretana ny mpitoraka blaogy Bahraini ny ‘Reporters sans Frontières’.

Hoy i Afaf Al-Dawar (@Pearl14Feb):

Mpitoraka blaogy Bahraini iray nosamborina noho izy naneho ny heviny i Mohammed Almaskati @emoodz #FreeEmoodz #Bahrain #feb14

Nanoratra tao amin'ny Twitter ihany koa i Muhammed Abdulla (@mabdulla88):

Izaho mahita mihitsy fa loharanom-baovao isan'ny tsara indrindra tao Bahrain i  @emoodz, any am-ponja izy izao ary tianay rehetra ny hamotsorana azy #FreeEmoodz

Nizara lahatsary iray nalain'i El-Maskati tamin'ny taona 2007 i @Zanoob11:

Ao anatin'io lahatsary maharitra folo minitra io, dia niresaka mikasika ny fitorahana blaogy sy ny Silamo i El-Maskati, ary fiteny anglisy sy Arabo no nifandimbindimby tao.

Nandefa tweet tamin'ny 4 Aprily, ny anabavin'i  El-Maskati @Moooly85, mitantara ny andro fahadimy nijanonan'ny anadahiny tany am-ponja:

Andro faha 5:  5 andro izao no nisamboran-dry zareo ny anadahiko ! #FreeEmoodz

Naneho ny fanohanany ihany koa ilay mpitoraka blaogy fanta-daza Mahmood Al-Yousif (@Mahmood), izay voasambotra tamin'ny herinandro lasa:

Malahelo ny fahalalahan-tsain'ny namako @emoodz aho ary tsy andriko mihitsy ny hahitàna azy sy handraisako ny tànany indray. Fantatro hoe ho afaka atsy ho atsy izy. #FreeEmoodz

Nanamarika ny Reporters sans frontières fa i  Mohd Al-Khalifa, iray ao anatin'ny fianakavian'ny mpanjaka izay voahendrikendrika ho nandrahona an'i El-Maskati tao amin'ny Twitter, dia nandefa tweet ahitàna teny fandrahonana an'ireo mpanohana an'i El-Maskati alohan'ny namafany tanteraka ny kaontiny:

Na teo aza izany dia mbola manohy mandrahona ny rehetra tao amin'ny Twitter izay mangataka ny famotsorana an'i Makati i Khalifa: “#FreeEmoodz, ireo rehetra mipetraka eto Bahrain ka manohana ilay mpampihorohoro emoodz, dia ho alaina ny adiresin'ny solosain'izy ireo ary hosamborina izy ireo!”

Tweeted threat from Mohd Al-Khalifa, a member of the Bahraini royal family to El-Maskati's supporters before his account was deleted.

Tweet fandrahonana avy amin'i Mohd Al-Khalifa, iray amin'ny fianakavian'ny mpanjaka Bahraini ho an'ny mpanohana an'i El-Maskati alohan'ny namafany tanteraka ny kaontiny.

Ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny hetsi-panoheran'i Bahrain taona 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.