Raveloaritiana Mamisoa · Septambra, 2011

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Septambra, 2011

Zimbaboe: Manova ny Fiainan'ny Tanora Amin'ny Alalan'ny Teatra

  06 Septambra 2011

27 taona i Boyce Chaka, poety sy mpianatra teatra ao Bulawayo, tanàna lehibe faharoa ao Zimbabwe. Nanomboka tamin'ny taona lasa, nanokana ny fotoanany tamin'ny fampianarana ny mpianatra ambaratonga faharoa momba ny sanganasan'i Shakespeare sy ny tononkalo araka izay nambarany fa andrana ny hoe “hanala azy ireo eny an-dalambe [hidonanam-poana].” Amin'ireo taranja hafa mifanindran-dalana amin'ny taranjam-pianarana,...

Global Voices Miara-miasa Amin'ny UNFPA Amin'ilay Atrikasa “7 Miliara”

  04 Septambra 2011

Amin'ity taona 2011 ity dia hihoatra ny 7 miliara ny isan'ny mponina manerana izao tontolo izao. Mba hanamarihana izany dingana izany, niangavian'ny United Nations Population Fund (UNFPA) na ny tahirin'ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny mponina ny Global Voices hanoratra andian-dahatsoratra izay manandratra olona iray na vondrona izay mampisy fiavahana ao anatin'ny...

Ejypta: Mampiasa Twitter Hanampiana Fokontany Mahantra ao Kairo

Rehefa hita ny herin'ny valantserasera tamin'ny revolisiona Ejipsiana, dia nanapa-kevitra hiara-hiasa amin'ny fikambanana manao asa soa ao an-toerana ilay bilaogera Ejipsiana sady mpisiokantserasera Mahmoud Salem (@SandMonkey), mba hanampy azy ireo amin'ny fanangonam-bola amin'ny alalan'ny fampiasana ny herin'ny Twitter ka hanangana fotodrafitrasa amina faritra mahantra ao Kairo. Ezbet Khairalla, no iray amin'ny...

Ejypta: Fandresen'ny Sivily Manoloana ny Tribonaly Miaramila

Nitsahatra kely tamin'izay nataony an-tserasera sy eny an-kianja ny mpikatroka – hanairana ny fisian'ny sivily hotsaraina eny amin'ny tribonaly  miaramila, taorian'ny revolisiona Ejipsiana. Taorian'ny fisamborana ireo vondrona mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny kianja Tahrir ny alin'ny 9 Martsa, vondrona mpitolona, mpanao gazety, ary mpisolovava no niray hina amin'ny fandraisana andraikitra mba hanampy ireo...

Libya: Ny Fanafahana an'i Tripoli

Tamin'ny 20 Aogositra 2011, no nanomboka ny Hetsika ara-miaramila Mermaid Dawn (zazavavindrano fiposahan'ny masoandro) hanafahana an'i Tripoli ka niantsona ny Allahu Akbar (Lehibe ny Tompo!) hatrany amin'ny moské an-jatony niely manodidina ny tanàna. Ity no fanairana nifanarahana izay nandrasan'ireo mponina ao Tripoli mba hitsanganany toy ny olona iray manoloana ny ratsy....