Vondrona Ara-poko Shiliana: Fandrosoana Mamely Ny Zon'ny Teratany?

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Efa ela talohan'ny fibodoana Espaniola no teto ireo vondrona ara-poko teratany Shiliana, ary nanomboka tamin'izany sy hatramin'izao, miaro ny zon'izy ireo any amin'ny faritra samihafa izy ireo. Ankehitriny, miaro ireo tany nipetrahany nandritra ny taonjato maro manoloana ny fampandrosoana ny firenena izay manohintohina ny fomba fiainany ry zareo.

Víctor Toledo (ES), avy ao amin'ny Foiben'ny Politikam-bahoaka sy ny Zon'ny Teratany namoaka tranga manontolo mikasika ity toe-javatra ity. Lleu-Lleu dia toerana iray, ahitana fianakaviana Mapuche miisa 17 mety ho voakasiky ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanokatra tobim-pitrandrahana iray, izay mbola tetikasa anatin'ny fanombanana ara-toekarena. Nilaza izy fa tsy manaja ny zon'ny vazimba teratany, izay efa tsy voaaro ao amin'ny taniny manokana ny governemanta, izay ny fanaovana izany no fomba tokana hihazonana ny tsy fanombinana ny olona teratany. Mahatsiaro ihany koa izy fa arovan'ny lalàna ny vazimba teratany, saingy mandinika lohahevitra lalina kokoa izy: ny anjara asan'ny governemanta.

“Las comunidades mapuches del Lago Lleu Lleu, sur de Chile, con la denuncia de un proyecto minero, han puesto en la agenda pública, y a su modo, un asunto de fondo: la contradicción entre la obligación estatal de protección de las tierras indígenas, y la inadecuación de la institucionalidad y legislación sectorial minera ante esa obligación. Más allá de sus detalles, el caso de Rucañanco- Lleu Lleu es un conflicto que encuentra sus causas y responsabilidades en las antinomias e incumplimiento de obligaciones del propio estado chileno.”

Nanasongadina ny olana fototra amin'ny fandaharan'asam-panjakana ny vondrom-piarahamonina Mapuche avy ao amin'ny Farihin'i Lleu-Lleu any atsimon'i Shily, amin'ny fitarainan'izy ireo momba ilay tetikasa tobim-pitrandrahana: ny fifanoherana eo amin'ny andraikitry ny fanjakana hiaro ny tanin'ny indizeny sy ny tsy fetezan'ny andrim-panjakana sy ny mpanao lalàna amin'ny fanatanterahana izany adidy izany eo amin'ny sehatra fitrandrahana. Ankoatra ny antsipiriany, azo hazavaina amin'ny tsy fanatanterahan'ny fanjakana Shiliana [ny andraikiny] no nahatonga ny fifandonana ao Rucañanco- Lleu-Lleu.

Tranga iray hafa ny fanamboarann'ny orinasa Espaniola Endesa ny tohodrano ao Ralc, izay namindrana toerana fianakaviana indizeny miisa 381 hialany amin'ny faritra ho tondra-drano. Votsotra avokoa ireo toerana misy fasana sy ny toeram-ponenan'ny razambe rehetra. Nanatontosa lahatsary fanadihadiana momba ireo tranga ireo ny Espaniola iray mpamokatra horonantsary ary manazava tsikelikely ny fomba fiasan'ny governemanta sy ny orinasa mba hanatanterahana ny tetikasa. Amin'ny lohateny “Lahatsary fanadihadiana iray mampiseho ny famonoan'ny Endesa ny vahoaka Mapuche”, mitantara ny zava-misy ao amin'ilay faritra ny bilaogy EspaniolaTeruel (ES)..

Miasa mba hampianatra sy hampahafantarana momba ny zo ara-tontolo iainana sy ny zon'ny indizeny ny tambajotra nasionaly antsoina hoe “ Tambajotran'ny Hetsika Ara-Tontolo Iainana sy ny Rariny Ara-tsosialy“. Ny ankamaroan'ireo fikambanana nasionaly dia voasoratra anarana ao, ary tsy manana tranonkala na bilaogy ny ankamaroany ary maro no tsy hita ao amin'ny gazety ao an-toerana.

Mapuexpress (ES) indray dia pejy ahitanao ny vaovao rehetra sy ny momba ny ahiahin'ny vondrom-piarahamonina indizeny Shiliana, indrindra fa ny Mapuche.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.