Fahanginana sy ny Rariny Ao Caracas

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mazava ho azy fa ny tantara goavana manerana ny kaontinanta dia ny fahalanian'i Hugo Chávez indray ao Venezoela tamin'ny vato 60%.

Manoratra “La Maga,” mpanao gazety avy ao Caracas:

el día después

hay poca gente en el metro. muchos se tomaron el día libre hoy tras una noche de celebración o de luto. la ciudad está tranquila, no puedo decir si triste y alegre, tranquila, con esa tranquilidad del día después, con esa calma de primero de enero. los niños no tienen clases. caracas está sucia, eso sí, (aunque siempre está sucia), hay restos de cohetones y de propaganda electoral rota, pero está tranquila, sin alboroto. menos mal.
anoche no vi los resultados. tenía demasiado sueño y me quedé dormida sin querer.
ayer trabajé en vano. hoy vi que en la segunda edición por un error técnico no salió lo que escribí -ni lo que escribieron otras compañeras- en el periódico. pido disculpas al elector al que molesté todo el día.
ojalá haya luz en la ruta que viene en 2007. ojalá haya entendimiento y camino. y ojalá por fin haya gobierno que no necesite estar haciéndose propaganda todo el tiempo y haya una oposición que se oponga con estilo y credibilidad. ojalá organicemos un país.

Ny Ampitso

Vitsy ny olona tao amin'ny metro. Maro no niala sasatra taorian'ny alin'ny fankalazana, na ny fisaonana. Mangina ny tanàna. Tsy afaka milaza aho raha malahelo na sambatra, fa mangina fotsiny, miaraka amin'ny fahanginana ny ampitson'iny, miaraka amin'ny fahatoniana ny voalohany volana Janoary. Tsy mianatra ny ankizy. Maloto i Caracas, marina izany (na dia maloto foana aza), misy ireo loton'ny afomanga ary nanimba ny fampielezan-kevi-pifidianana, saingy tony izany, tsy misy korontana. Zavatra tsara.

Tsy nahita voka-pifidianana aho omaly alina. Reraka be aho ary resin-tory tsinahy.

Niasa foana aho omaly. Androany, nahita aho fa tamin'ny famoahana faharoa, noho ny fahadisoana ara-teknika, tsy vita printy ny zavatra nosoratako – na ny zavatra nataon'ireo mpiara-miasa amiko aza tsy tafavoaka an-gazety. Miala tsiny amin'ny tompon'andraikitry ny fifidianana aho izay nosahiraniko nandritra ny tontolo andro. Antenaina fa misy hazavana eo amin'ny làlana mankany amin'ny taona 2007. Antenaina fa misy ny fahatakarana sy ny lalana izorana. Ary antenaina fa, tsy mila manao fampielezan-kevitra betsaka amin'ny fotoana rehetra ny governemanta ary hanohitra izany amin'ny endrika manokana sy azo itokisana ny mpanohitra. Antenaina fa handamina firenena isika.

Nivoaka tamin'ny faran'ny herinandro ny tantara Venezoeliana iray hafa mahaliana ny bilaogera, saingy vetivety dia saron'ny fitantarana marobe nataon'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra momba ny fifidianana tamin'ny Alahady. Efa niresaka momba ny hala-tahaka nataon'ilay mpanao gazety Nestor Valecillos tamin'ny lahatsoratra bilaogy nosoratan'i Guillermo Amador isika. Ny Zoma lasa teo, nahazo valiny ihany avy amin'ny gazety i Amador.

Hace unos minutos recibí un mensaje de Carlos Romero, Director de El Diario de Caracas. Ya el dia de ayer había recibido una comunicación suya, en donde me planteaba que estaban estudiando la sanción a ser aplicada a Nestor Valecillos por su plagio a mi propiedad intelectual. Yo insistí en que de Valecillos solo esperaba una disculpa y del Diario de Caracas una réplica en iguales condiciones que las del artículo original, en cantidad de caracteres y en ubicación dentro del diario.

En este nuevo email, me hace saber que El Diario de Caracas decidió separarlo de su plantilla a partir del dia de hoy, 1ro de diciembre de 2006. De igual manera, me concedieron mi derecho a réplica y debo consignar un artículo de 3800 caracteres que será publicado en un sitio preferencial del diario. Con una simple disculpa a tiempo de Valecillos era suficiente y se que nunca fue la intención de la comunidad bloguera venezolana propiciar su despido, personalmente solicité se me concediera el derecho a réplica y una disculpa tan pública como el artículo plagiado.

Minitra vitsy lasa izay, nahazo hafatra avy amin'i Carlos Romero, talen'ny El Diario de Caracas aho. Efa nahazo fanamarihana avy aminy aho omaly izay nampahafantarina ahy fa nandinika ny sazy  hampiharina amin'i Nestor Valecillos izy ireo noho ny hala-tahaka nataony tamin'ny sangan'asako. Nanitrikitrika aho fa niandry fialantsiny fotsiny avy amin'i Valecillos sy valin-teny avoakan'ny El Diario de Caracas miaraka amin'ny lahatsoratra mitovy isa litera sy mametraka ny lahatsoratra orizinaly.

Nahatonga ahy hahafantatra ahy ity mailaka vaovao ity fa nanapa-kevitra hamela an'i Valecillos hanomboka androany, voalohany Desambra ny El Diario de Caracas. Ankoatra izay, nanaiky ny zoko hahazo valinteny izy ireo ary tokony hamoaka lahatsoratra misy litera 3 800 izay havoaka ao amin'ny tranonkalan'ny gazety safidiako aho. Ampy tanteraka ny fialan-tsiny tsotra sy ara-potoana avy amin'i Valecillos ary fantatro fa tsy fikasan'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogy Venezoeliana mihitsy ny hanohana ny fandroahana azy. Ho ahy manokana, nangataka aho mba hanome valinteny ho ahy izy ireo ary fialan-tsiny ampahibemaso tahaka ny lahatsoratra nalaina tahaka nalefa ho an'ny daholobe.

De cualquier manera, se que tomar esta decisión, reconociendo una vez mas la falta cometida, asi como conceder la réplica no es algo fácil de hacer. Denota sentido de la responsabilidad o al menos verguenza cuando se comete una falta. Demuestra que les duele lo que se hace o deshace con la publicación donde se trabaja y eso es importante. En estos tiempos que corren, muy importante. De hecho, no recuerdo algún otro momento en donde una publicación se haga responsable de una acción como este y ademas tome medidas. A ellos, gracias.

A mis compañeros de la criollosfera venezolana, muchas gracias. A pesar de que nunca pedí que llenaran los e-mails de El Diario de Caracas de reclamos, ahora les pido que si les escriben, sea para agradecer la actitud tomada. Su compromiso de publicar la réplica en cuestión es suficiente y en un rato comienzo a redactarla.
Insisto, es impresionante la solidaridad que demuestra esta comunidad, que sin dudarlo ni un minuto se torna compacta para ayudar a uno de sus miembros. Asi hemos ayudado a varios de nuestros compañeros a sobrellevar los embates de enfermedades tan serias como el cáncer, asi ayudamos a una niña a curarse de leucemia (http://www.caracascafe.net/modulor/?p=35).

No se puede simplemente copiar y pegar la propiedad intelectual y no dar crédito por ello. Es un delito en cualquier parte del mundo, aqui también.

Na inona na inona, fantatro fa tsy zavatra mora atao ny fandraisana ity fanapahan-kevitra ity – manaiky ny fahadisoana amin'ny fanomezam-balinteny. Manondro fahatsapana andraikitra na farafaharatsiny henatra rehefa manao fahadisoana. Mampiseho izany fa mampahory azy ireo ny zavatra vita na tsy natao tamin'ny famoahana nataon'izy ireo ary zava-dehibe izany. Raha ny marina, tsy tsaroako ny fotoana hafa izay nisiana famoahana nahatonga fandraisana andraikitra ho an'ny hetsika toy izao sy nandraisana fepetra. Ho azy ireo, misaotra anareo.

Ho an'ireo mpiara-miasa amiko amin'ny tontolon'ny bilaogy Venezoelana, misaotra betsaka anareo. Na dia tsy nangataka taminareo mba hameno ny mailakan'ny El Diario de Caracas aza aho, mangataka aminareo aho ankehitriny fa raha hanoratra ho azy ireo ianareo, dia misaora tamin'ny fihetsika nataon'izy ireo. Ampy ny fanoloran-tenan'izy ireo hamoaka valinteny ary afaka fotoana fohy, hanomboka hanangona ireo (valinteny) aho. Manantitrantitra aho fa mahatalanjona ny firaisankinan'ny fiarahamonintsika. Tsy misy fisalasalana iray minitra fa mitambatra isika mba hanampy ny iray amin'ireo mpikambana ao aminy. Izany no fomba nanampiantsika ireo namana maro mba handresy ny fanafihana aretina tahaka ny homamiadana; Izany no fomba nanampiantsika tovovavy iray handresy ny homamiadan'ny rà.

Tsy azo adika fotsiny na alaina tsy nahazoana alalana ny fananana ara-tsaina. Heloka bevava any amin'ny faritra rehetra eto amin'izao tontolo izao; sy eto koa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.