Maninona no toherin'ireo vahoaka indizeny ny filoha Ivan Duque?

Pikantsary avy amin'ny lahatsary nozarain'ny filankevi-paritry ny Indizeny ao Cauca. Lahatsary mizara ireo saripika avy amin'ny hetsipanoherana nitranga tany Atsimo Andrefan'ny firenena, tany ampiandohan'ny Aprily.

Hetsipanoherana goavana nanerana an'i Kolombia no nokarakarain'ireo indizeny, Afro-kolombiàna ary tantsaha hanoherany ny Drafitra Fampandrosoana Nasionalin'ny filoha Ivan Duque, fehezana torolalana izay, ankoatra ny zavatra hafa, handrisika ny fampiasàna vola avy any ivelany amin'ireo fandraharahàna ara-pambolena sy fitrandrahana goavana ny harena ankibon'ny tany izay mety ho loza mitatao ho an'ireo zaratany misy ny indizeny.

Ny Martsa 2019, nakaton'ireo vondrompiarahamonina indizeny nandritra ny 25 andro ny lalambe migodàna iray tao amin'ny faritr'i Cauca. Ny 25 Aprily, nanatevina laharana azy ireo ireo hetsika sosialy hafa tamin'ny fitarihana fitokonana faobe. Tetsy ankilan'ireo fandrahonana ny zon'ireo indizeny, notoherin’ireo mpitokona ny fampihenana ny tetibola ho an'ny fampianarana sy ny fihisaran'ny fametrahana ilay Fifanarahana Fandriampahalemana natao tamin'ny 2016 — izay iray tamin'ireo mpanakiana mafy dia mafy an'izany i Duque, mbola tokony hanana herintaona hofaranana.

“Mingas”, teny Quechua midika hoe “asa miaraka”, ampiasaina betsaka any anatin'ireo hetsika fanoherana tany Amerika Atsimo no anarana nomen'ireo vahoaka indizeny ireo hetsipanoherana.

#FitokonanaFaobe | Vao maraina dia nihetsika ireo vondromparahamonina indizeny, tantsaha sy afro tao Tado, nameno ny lalambe migodàna avy any Pereira hatrany Quibdo, tafiditra ao anatin'ilay Fitokonana Faobe #TenaIlainaNyManohitra

Hita ao anatin'ilay Drafitra Fampandrosoana Nasionaly ireo fanavaozana ny sehatra isankarazany, toy ny fanabeazana, ny angovo, ny fambolena. Raha  milaza  i Duque fa hanàla Kolombiàna 3,4 tapitrisa tsy ho ao anatin'ny fahantràna ireo fandaharanasa, toherin'ireo mpanakiana hoe ireo vondron'orinasa tsy miankina no voalohany hahazo tombontsoa amin'io. Ireo mpitarika minga indizeny no tena velona ahiahy manokana amin'ny endrik'ilay drafitra izay mety hankahàtra ny zon-dry zareo tokony ho nakàna hevitra mialoha momba izay tetikasa fampandrosoana hatao eo amin'ny zarataniny.

Raha ny governemanta nanaiky ny hifanakalo hevitra miaraka amin'ireo mpitarika indizeny momba ilay drafitra, hatreto aloha tsy mbola nisy fifanarahana farany vita. Araka ny lazain'ny gazety El Espectador, ny haben'ny tany tian'ny governemanta harovana amin'ny anaran'ireo vahoaka indizeny dia tena ambany lavitra noho izay angatahan'ireo vondrompiarahamonina:

La diferencia entre lo que ofrece el gobierno de Iván Duque y lo que piden las comunidades indígenas para despejar la vía Panamericana es abismal. El Ejecutivo habla de 1 500 hectáreas para resolver las necesidades de todas las organizaciones que integran la minga, mientras que el requerimiento de los organizadores de la protesta es de 40 000 hectáreas

Tsy hita pesimpesenina ny fahasamihafàna misy amin'ny atolotry ny governemantan'i Duque sy izay angatahan'ireo vondrompiarahamonina indizeny mba hahafahana manokatra ny lalambe Panamericana. 1.500 hektara no resahan'ny filoha mba hamaliana ny filàn'ireo fikambanana rehetra izay mitambatra ho mingas, nefa ny fitakian'ireo fkambanana manao hetsipanoherana dia 40.000 hektara.

Fifanarahana Fandriampahalemana

Sonia nifanaovan'ilay filoha teo aloha Juan Manuel Santos sy ireo mpitarika ny Tafika Revolisionera Mitampiadiana ao Kolombià, ilay tarika mpiady anaty akata lehibe indrindra ao amin'ny firenena, namarana ny ady an-trano naharitra efa ho dimampolo taona ilay Fifanarahana Fandriampahalemana tamin'ny 2016,  tamin'ny nanambaràna ny fampitsarahana tanteraka ny poabasy ho takalon'ny fampandraisana anjara ireo mpikambana fahiny avy amin'ny FARC ho ao anaty andrim-panjakàna.

Ireo Fifanarahana Fandriampahalemana ihany koa dia niteraka fiarovana mba hisorohana ny fanangonana tany ataon'ireo olontsotra sy orinasa vahiny any amin'ireo faritra ambanivohitra. Laharam-pahamehana ao anatin'izy io ny fitsinjarana ny tany sy fanondroana faritra vitsivitsy ho an'ireo indizeny, afro-kolombiàna ary vondrompiarahamonina tantsaha izay voadona mafy nandritra ilay ady lavareny. Ny tsy fitoviana tamin'ny resaka fananantany tany amin'ireo faritra ambanivohitra no antony iray goavana nahatonga ny FARC handray fitaovampiadiana tany amin'ny andian-taona 1960.

Kanefa, toa tsy ho vita mihitsy ny fametrahana tanteraka ilay fifanarahana raha mbola marobe ireo sehatra mpifikitra amin'ny nentindrazana ao Kolombia no manohitra mafy ireny fepetra ireny. Mandritra izany fotoana izany, mbola amperinasa ireo vondrona madinika mitam-piadiana any ambanivohitra, toerana itarihan-dry zareo ady mahafaty mba hahazo ny fifehezana ireo faritany fahiny nanjakan'ny FARC. Vokany, nanaka-danitra ny isan'ireo mpitarika sosialy maty nisy namono hatramin'ny nahavitana sonia ilay Fifanarahana. Raha miovaova be ihany ireo tarehimarika momba ny famaritana ny atao hoe “mpitarika sosialy”, ny birao mpanelanelana kolombiàna milaza fa 460 ireo mpitarika sosialy maty nisy namono teo anelanelan'ny 2016 sy 31 Martsa 2019.

Duque, miaraka amin'ilay tanan-kavanany, ny filoha teo aloha Álvaro Uribe, no anisan'ireo tena mpanenjika mibaribary an'ilay fifanarahana fandriampahalemana. Tato anatin'ny volana vitsy, nezahany ny nandemy ny fahefan'ilay Sampandraharaha ao amin'ny Fitsarana misahana manokana momba ny Fandriampahalemana (JEP) rafitra iray ao amin'ny fitsarana najoron'ilay Fifanarahana mba hitsaràna ireo mpanao ady anaty akata sy ireo mpisehatra tao anatin'ny governemanta ahiana ho nanao heloka an'ady. Marobe ireo vondrona tezitra tamin'ireny fepetra ireny, izay lazain-dry zareo fa manembantsembana ny tena fampihavanana.

Zarain'ny olona ireo antony nanatevenany ny laharan'ilay fitokonana tamin'ny 25 Aprily teo, niaraka tamin'ny tenifototra #VamosAlParoPor (Hitokona isika ho an'ny) sy #MingaNacionalPorLaVida (Minga Nasionaly mandrapahafaty).

Hitokona isika ho an'ny indizeny minga, satria takaintsika ny fiarovana ho an'ireo mpitarika sosialy, ireo mpitolona fahiny, ho fanohanana ny JEP sy ny fametrahana ny fifanarahana fandriampahalemana. Hisian'ny fepetran'asa tsaratsara kokoa ho an'ireo mpampianatra sy foibe ho an'ny mpiasa.

La Pulla, fantsona iray ao amin'ny  YouTube fanaovana fanehoankevitra politika, dia nitsoraka ho ao anatin'ilay fihenjanana tsy mitsaha-mitombo tao anatin'ny lahatsary iray nitondra lohateny hoe “Esto pasa cuando el Estado ignora a su gente” (Izao no mitranga rehefa tsy miraharaha ny vahoakany ny governemanta), ka ao anatin'izay izy ireo no mandalina ny tantara lavabe momba ny tsy firaharahian'ny governemanta ireo any ambanivohitra, indrindra fa ny departemantan'i Cauca, Nariño, La Guajira, sy Catatumbo. Hoy ilay mpanao gazety:

La minga nos recuerda que eso no es el único lugar donde viven incumpliendo la gente y le hacen pistola cada vez que pueda. Vemos cuatro regiones del país que el estado ignora por completa.

Ampahatsiahivin'ny minga amintsika fa tsy eto irery no toerana misy olona miaina anaty (fampanantenana) tsy tanteraka, miaraka amina governemanta manilika azy isaky ny afaka manao izany. Faritra efatra no hitantsika hoe tena ataon'ny fanjakana tsinontsinona tanteraka eto amin'ny firenena.

Tsy misy vahaolana maharitra naroso hamaliana ny fangatahan'ireo minga sy ny mpitokona, ka toa hitohy ato anatin'ny volana vitsivitsy ireo hetsipanoherana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.