Congo (RDC): Ny vokatry ny tsy firaharahiana

Mahafinaritra ny Congoblog. Mendrika daholo ny lahatsoratra tsirairay, indreto ny tena nanaitra hatramin'ny fiatombohan'ny volana janoary teo:

avy any Kisangani, Boyomais mitaraina ny amin'ny zavatra mampalahelo iainana any amin'ny toeram-pitsaboana  ao amin'ny fireneny, tafiditra amin'izany ny teny baiko fantatry ny rehetra hoe: “tsy misy vola, tsy misy fitsaboana”.

by Luba for Congoblog.netNataon'i Luba ho an'ny Congoblog.net

Vadina marary iray no mitaraina:

Nous avons du mal à fermer l’œil la nuit tellement il y a des moustiques. Mon mari a des problèmes d’estomac mais, dans ces conditions, il n’est pas surprenant qu’il soit atteint de la malaria dans cet hôpital. Les moustiquaires que nous avons trouvé ne servent plus à rien car il a des trous partout.

Tsy mahita tory zahay amin'ny alina fa be moka be. Marary vavony ny vadiko kanefa tsy mahagaga raha mety ho voan'ny tazo koa izy ato amin'ny hopitaly. Tsy misy ilana azy intsony ny lay fiarovana amin'ny moka ato amin'ny hopitaly fa efa feno lavadavaka.

Avy any an-drenivohitra, Mwana Kin milaza ny zavatra mampidi-doza vokatry ny tsy fanamboarana:

Au fil des années, les câbles de la SNEL sont sortis de terre et arpentent les rues des principaux quartiers. Les jours de pluie, le mélange explosif entre le non fonctionnement du système d’évacuation des eaux et la présence des câbles dans la rue fait plusieurs victimes.

Nandritra ny taona maro dia novoaka avy any anaty tany any ny tariby mitondra herinaratra an'ny SNEL ka mandady eran'ny lalana rehetra fivezivezena ao an-tanàna. Amin'ny fotoanan'ny orana dia misy hiharan-doza foana vokatry ny fipoahan'nymitondra herinaratra mifangaro amin'ny fantsona mitondra rano maloto.

Kanefa efa manantona ny fifidianana amin'ny taona 2011, Cédric Kalonji milaza fa:

La majorité des promesses électorales à la veille du scrutin de 2006 ne sont pas sortis de la boite à discours pour se matérialiser. La population se rend progressivement compte qu’elle a été roulée. Loin d’être dupes, honorables et excellences pensent déjà à la suite. Tous les moyens sont bons pour conserver une place au chaud, à l’abri de tous les tracas auxquels les congolais ordinaires font face au quotidien.

Tsy nisy nivoaka ny boaty nasiana azy ny ankamaroan'ny fampanantenana natao mialohan'ny fifidianana tamin'ny taona 2006. Mahafantatra ny olona ankehitriny fa voafitaka. Tsy vendrana anefa izy ireo fa efa mieritreritra ny ho tohin'ny tantara ny manam-boninahitra sy ny lehibe rehetra. Mety daholo ny fomba rehetra hitazonana ny seza mbola mafana, hialana amin'ny sorisory mpahazo ny Congolais tsotra amin'ny fiainana andavanandro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.