Bolivia: Oliravina taloha, mirotsaka ho fidiana governoran'i Beni

Ho an'ny maro, ny fanambarana nataon'ny filoha Evo Morales nanendry ilay mpanjakavavin'ny hatsarana taloha, Jessica Jordan, 25 taona, hilatsaka hofidiana governora ao amin'ny departemantan'i Beni amin'ny anaran'ny antoko MAS (Antoko sosialista), dia ohatry ny sangisangy tara ny datin'ny 1 aprily (fetin'ny lainga). Na izany aza, vantany vao re ny fanambarana ofisialy natao nandritra ny valan-dresaka nataon'ny mpanao gazety dia nandeha sahady ny fanehoan-kevitra tao amin'ny twitter. Fony vao tsahon-dresaka fotsiny izy ity dia efa nilaza ny heviny koa ireo mpitoraka bilaogy.

Photo of Jessica Jordan by Hugo Miranda and used with permission. Sarin'i Jessica Jordan nopihan'i Hugo Miranda ary nahazoana alalana.

Ny fanehoan-kevitra voalohany dia ny tsy finoana fa hoe ny mpanjakavavin'ny hatsarana taloha no handray anjara amin'ny fifidianana avo lenta tahaka izao. Nanoratra i Diego Arrázola (@darrazola):

ni pa concejal JESSICA JORDAN puej pa GOBERNADORA! q esta pasando? siguen en la jodita de los inocentes?

Tsy mba hoe mpikambana ao amin'ny antenimiera akory i Jessica Jordan fa tonga dia governora! Fa inona no miseho? Mbola fetin'ny lainga foana ve izao?

Mariela Castrillo (@ardilla_ilusa) nanoratra:

Lo de Jessica Jordan es hilarante….no hay más gente en Beni? no hay más jóvenes con sueños? q pena…

Manapaka tsinay raha hoe Jessica Jordan….Tsy misy olona intsony angaha any Beni? Tsy misy tanora mpandrevy intsony? Tena mahamenatra…

Misy hafatra mitory tsy finoana tahaka izany koa, ary ny maro amin'ireny no milaza ny maha mpanjakavavin'ny hatsarana tany Bolivia taloha an'i Jordan. Na izany aza, ny hafa kosa mihevitra fa tsy mampatahotra ny olona ny maneho hevitra amin'ny zavatra tahaka izao. Patricia (@arquitecta) no milaza:

que les pasa? ven normal que un feo acceda al poder, pero cuando una bella candidatea, se rayan… machistas!

Inona àry no mahazo anareo? Hataonareo hoe ny olona ratsy tarehy foana ve izany no ho eo amin'ny fitondrana, fa raha vao hoe tsara tarehy ilay ho fidianan dia mitaraina ianareo… tena mpanavakavaka!

Jaime Durán of the blog Economía Política, Desde el Lado Gracioso [es] criticizes those that have already written off the candidate:

Están también los que olvidandose de sus posiciones de género han dicho muy sueltos de cuerpo que la niña será muy bella, pero que es poco probable que la cabeza le sirva para algo más que peinarse. Viendo la calidad de gobernadores que hasta ahora ha tenido el Beni, dudo mucho que se pueda criticar a la bella Jessica Jordan, por este tema. Por mi parte, estoy seguro que dictará cátedra en los temas en los que se ocupe, pues siempre he creido que belleza e inteligencia no son para nada incompatibles.

Ao koa ireo manadino ny toerana misy azy eo amin'ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy, izay milaza fa tena tsara tarehy tokoa aloha razazavavy, kanefa sarotra ihany ny hino fa misy zavatra hafa ankoatry ny fitoeran'ny volony ny lohany. Raha jerena ireo kalitaon'ny governora nifandimby tany Beni hatramin'izay, manahy aho fa tsy hisy na iray aza hitsikera an'i Jessica Jordan. Azoko antoka tsara fa hainy tsara ny zavatra hataony, satria fantatro fa ny hatsarana sy ny fahaizana dia tsy miarakaraka foana.

Fanontaniana goavana nivoitra nandritra ity fanendrena iyt ny hoe: “Ho an'ny MAS?” Departemantan'i Bolivia andrefana i Beni, departemanta fehezin'ny mpanohitra hatramin'izay. Ny fametrahana endrika vaovao fantatra eran'ny firenena, tsy mpikambana amin'ny antoko politika sady tsy mpanao politika, no mety hanintona ny sain'ny maro ary mety hamadika ny rasa amin'ity faritra ity. Milaza ny heviny i  Hugo Miranda ao amin'ny Angel Caido [es] :

Y bueno esto merece un comentario, quizas resulte obvio que el MAS esta usando a figuras publicas de los departamentos donde aun no domina para tratar de ganar las Gobernaduras y Municipios, de esta forma tener el control total de todo Bolivia.

Quizas para algunos Jessica este siendo utilizada para estos fines del todopoderoso Evo Morales.

Pero queda la duda, y creo que Jessica se merece eso por que ella quiere mucho a Bolivia.

Mendrika fanehoan-kevitra izao, mazava ho azy fa mampiasa endrika vaovao fantatr'olona ny MAS any amin'ireo departemanata tsy ambany fifehezany mba hahazoany governora sy ben'ny tanàna betsaka, hifehezany an'i Bolivia manontolo.

Angamba ho an'ny sasany dia tafiditra ao anatin'io tetikadin'i Evo Morales io i Jessica Jordan.

Mipetraka ny fanahiana, kanefa inoako fa tsy ho voafitak'izany i Jessica satria tena tia an'i Bolivia izy.

Ohatry ny mandaitra ity tetika ity satria mpitoraka bilaogy maro tsy mpanao politika, ny sasany aza tsy tia ny MAS, no manomboka manohana an'i Jessica Jordan. Na izany aza, ny sasany mametraka mazava fa ny mpilatsaka hofidiana no tohanany fa tsy ny antoko politika misy azy. Na dia ireo tsy mahazo mifidy any amin'ny departemantan'i Beni aza dia milaza fa hanohana ity mpanjakavavin'ny hatsarana ity. Ho hitantsika eo raha hahomby ny tetika na tsia mandritra ny fifidianana hatao ny 04 aprily 2010.

Miranda, tsy mpanohana ny MAS, no manoratra fa ny hany mpilatsaka ho fidiana tohanany dia i Jordan, ary raha azony hatao dia hanao fampielezan-kevitra ao amin'ny sitany izy. Durán mamehy:

Creo que la elección del Beni será la más interesante de todas las que presenciaremos en abril del 2010. Asimismo, desde esta palestra anuncio que estoy dispuesto a trasladarme a la bella tierra oriental para colaborar en tareas de campaña

Hataoko fa ny fifidianana any Beni no hahaliana indrindra amin'ny fifidianana hatao ny volana aprily 2010 izao. Ambonin'izany, avy ato amin'ny bilaogy aho no milaza fa vonona ny handeha any andrefana (Beni) aho hanampy amin'ny asa mikasika ny fampielezan-kevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.