Maro Amin'ireo Fanadihadiana Maro No Manasongadina Ny Global Voices

(Marihina fa tamin'ny 31 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Namoaka fanadihadiana fohy mahafinaritra, mitondra ny lohateny hoe “Maro Amin'ny Maro – Fampitam-baovaom-bahoaka sy ny Tontolon'ny Bilaogy” i Martin Lucas sy ny Ivontoerana misahana ny Media Sosialy. Manolotra ny fanazavana fohy momba ny ezaka vaovao izay mampifandray ny famahanana bilaogy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra ny horonantsary maharitra roa ambinifolo minitra. Nasongadina niaraka tamin'ireo ezaka mampientanentana tahaka ny Radio Open Source an'i Chris Lydon sy ny POV Borders an'ny PBS ny Global Voices.

Nasongadina tao i Neha Viswanathan, toniandahatsoratra any Azia Atsimo, sy ilay mpandray anjara Dina Mehta, miresaka momba ny asan'izy ireo ao amin'ny bilaogy Vonjy Voina Tsunami Azia Atsimo-Atsinanana, ary misy ny lahatsary mampiseho ny eritreritra sy ny hafaliana tamin'ny fihaonambentsika tamin'ny volana Desambra (2006) tany Londra.

Ho an'izay rehetra liana amin'ny ezaka ataontsika avy amin'ny fomba fijerin'ny mpandinika ny fampitam-baovao, dia tsara ny mamaky ireo tatitra avy amin'i Noëlle McAfee sy Martin Lewis izay manolotra ny fomba fijeriny amin'ny maha-mpandalina ny fampitam-baovao azy ireo nandritra ny fihaonambentsika tamin'ny volana Desambra sy ny mety ho anjara asan'ny Global Voices  ao amin'ny tontolo mivelatra kokoa ho an'ny fampitam-baovao sy ny fanaovan-gazety.

PlayPlay

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.